10/01/2026
🎶BIOGRAPHIE • FAMPAFANTARANA 🎶
🇲🇬NY Feo Kanto, antoko mpihira kristianinatsy tsy miankina amin’ny fiangonana iray manokana. Niorina tamin’ny taona 2011, noforonin’i Rasolojaona Herimalala sy Andriantseheno Lala Harintsoa, mpivady, taorian’ny fandalinana teôlôjia FITELA momba ny fitantanana tetikasa fitoriana ny Filazantsara.
Hatramin’ny niandohany, ny Ny Feokanto dia mihevitra ny hira ho fitaovana fanompoana, fa tsy fialamboly fotsiny. Ny fivoriana, ny fampiofanana, ny fihaonana ary ny fivoahana rehetra dia natao hanana lanja ara-panahy, miompana amin'ny fanabeazana ny tanora ho tompon’andraikitra, entina hampiraisana ny tanora, hanamafisana ny firahalahiana, ary hanorenana fiainam-panahy matanjaka ho an'ny tsirairay.
Ny mpikambana ao aminy dia tanora avy amin’ny sehatra samihafa, voaofana amin’ny hira klasika (chant lyrique), ny solfejy ary ny fifehezana ny feo. Ny tanjona dia ny hanabeazana mpihira, mpitarika ary mpanompo, mampiasa ny mozika ho fitaovana fitoriana ny Filazantsara.
Eo amin’ny sehatra ara-javakanto, ny Ny Feokanto dia mandray anjara sy mikarakara kaonseritra klasika sy zavakanto ara-panahy, miaraka amin’ireo mpanakanto sy mpitendry zavamaneno matihanina, ary miara-miasa amin’ny rafitra ara-mozika. Ireny hetsika ireny dia mikendry ny hanandratra ny hira klasika sy ara-panahy eto Madagasikara, ary hampahafantatra izany amin’ny sokajin'olona rehetra, eny na ireo tsy mianoka ao anatin'izany taranja izany ary.
Ny ivon’ny iraka raisin’ny antoko mpihira Ny Feokanto dia ny midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina:
“Haleloia! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho” • Salamo 111:1a
----
🇫🇷Ny Feokanto est un chœur chrétien de musique classique, indépendant de toute Église. Fondé en 2011 par Rasolojaona Herimalala et Andriantseheno Lala Harintsoa, couple fondateur, il est issu d’une formation théologique menée dans le cadre du FITELA , portant sur la gestion de projets d’évangélisation.
Depuis sa création, Ny Feokanto conçoit le chant comme un acte de service et de louange, et non comme une simple activité récréative. L’ensemble de ses activités – répétitions, formations, rencontres et sorties – est structuré autour d’une démarche spirituelle et éducative visant à former des jeunes responsables, à renforcer la cohésion, à promouvoir la fraternité et à édifier une vie spirituelle solide.
Le chœur est composé de jeunes issus de milieux divers, bénéficiant d’une formation exigeante en chant classique (chant lyrique), en solfège et en technique vocale. La vocation de Ny Feokanto est de former des chanteurs accomplis, mais également des leaders engagés et des serviteurs, utilisant la musique comme vecteur de proclamation de l’Évangile.
Sur le plan artistique, Ny Feokanto conçoit, organise et interprète des concerts de musique classique et sacrée, en collaboration avec des artistes et musiciens professionnels, ainsi qu’avec des institutions musicales. Ces initiatives ont pour ambition de valoriser le patrimoine musical classique et spirituel à Madagascar et d’en favoriser l’accès auprès de tous les publics, y compris les non-initiés.
La mission fondamentale de Ny Feokanto demeure la louange et la glorification de Dieu, conformément à la Parole des Écritures :
« Alléluia ! Je louerai l’Éternel de tout mon cœur. »
Psaume 111:1a