28/07/2026
🙏 Amin'ny alalan'ireto sarin'ireo mpandresy tamin'ny catégorie sy discipline rehetra ireto no hoentinay mpikarakara ny hetsika Mandefa ny teny fisaorana.
🙏 Misaotra ny ilay ao ambony aloha satria raha tsy izy na inona noketrehina zava-poana daholo ihany
🙏 Misaotra ny mpandihy rehetra nisoratra anarana satria ianareo ho anareo no nikarakarana iny hetsika iny Ary tena maro satria iny no nazahoana mpandray anjara maro indrindra atramin'izay raha ny Let's Dance manokana 💪 260 mpandihy no nisoratra anarana catégorie rehetra mitambatra io 🙌 Mankasitraka tompoko oh!!!! 🔥🔥🔥
👊 Fankasitrahana manokana ho an'ireo avy any amin'ny faritany Tonga teto hanatrika sy handray anjara tamin'ny fifaninanana 🙏 hery ho anay ireny hanome ny tsara kokoa hatrany.
🙏 Misaotra ireo mpitsara rehetra nahafoy fotoana nanome voninahitra ireo mpandray anjara 🫡
🙏 Fanajana be ho an'i Mc Didi Man Téo amin'ny fanolorana sy ny fanentanana 🔥🔥 adala be foana zoky ah!! 👊
🙏 Rs Razaf teo amin'ny platine 🎚️🎛️🫡 mafy eh 🙌🙌
🙏 Mankasitraka be ireo mpiara-miasa rehetra na mivantana na ny tao am-badika fa matoa Mbola eo ianareo dia satria Mino sy mahatoky fa mendrika ny ho tohanana ny Dihy an-tanan-dehibe eto amintsika 👊 Be Bose Mi REC Production OFNAC Madagascar Okalou Kliky Studio Naly Rak V Malagasy Street Wear
🏆 Arahabaina ireo mpandresy rehetra! 🫡 Mafy be daholo ny mpandray anjara 🙌 Ary tena hita izany tamin'ity andiany iray ity, fa matoa ianareo no nahazo ny fandresena dia satria nisy niavaka sy nampisongadina anareo tao teo anatrehan'ireo mpifaninana rehetra ambiny 🙏
🙏 Ary farany nefa anisany lehibe indrindra dia isika rehetra Tonga nanohana sy nanotrona Ary nanome voninahitra ireo manatalenta antsika 🙇 misaotra Tonga nifaly, niaina, nankafihy Ilay tontolo tiantsika.
Iny andiany iny no vita, natao araka izay tratra fa ny fanomezan-danja ny tontolon'ny Dihy an-tanan-dehibe dia mitohy foana 🫡 dia manome fotoana antsika rehetra ny Let's Dance amin'ny heritaona indray 🤝
🤝 Ho avy miandalana eo ny sary rehetra 🙏😁
👊 Mankasitraka dia mitomboa talenta daholo eeeh!!!