22/08/2017
Ny filohan'ny fikambanana Lato sy ireo mpiara miasa aminy rehetra dia manantitra ny fisaorana antsika rehetra nandray anjara t@ hetsika ndao hilalao 2017. Isaoran'ny Avo nitantana sy niahy antsika tsirairay avy. Tsy adinonay ianareo ray aman-dreny nandefa ireo zanantsika sy nametraka ny fitokisana taminay ary mbola manandratra ny soatoavina malagasy. Ary indrindra ireo mpanohana ny hetsika UNICEF, SOCOBIS, JUDOR, ANS Ampefiloha, NR Consult, ORTANA ary ireo zoky maro be nandray an-tanana sy nampilalao ireo zanantsika. Misaotra betsaka. Marihanay etoana fa nanana tombony ireo ankizy tonga tamin'ny famaranana ny asabotsy teo satria dia ireo asa-tanana naranty io andro io dia afaka noentin'izy ireo nody. ialana tsiny tompoko ho an'ireo ankizy nanao asa-tanana ka tsy afaka nahazo ny azy. Amin'ny hetsika manaraka indray isika mihaona. Ndao hilalao e😍🤩