Rima HG'RNR

RIMA❤🤗

Mba aiza waiza eo ampasapito ary ity zavatra ity mba te handeha ny tenanay🤭🤣🤣
26/09/2024

Mba aiza waiza eo ampasapito ary ity zavatra ity mba te handeha ny tenanay🤭🤣🤣

✰.........................✰Misy fotoana ianao tiko dia...Indraindray ianao halako!Misy fotoana ianao manimba dia...Indra...
20/06/2024

✰.........................✰

Misy fotoana ianao tiko dia...
Indraindray ianao halako!
Misy fotoana ianao manimba dia...

Indraindray ianao mampiadana
Misy fotoana ianao misy toetra
Dia ...Indraindray tsara fanahy

Misy fotoana ianao anazy dia...
Indraindray koa nefa ianao annah
Misy fotoana tiko adaboka ny antsika..

Nefa indraindray aho te hijanona
Efa nisy fotoana ihany nahalalako
Ny fisiny ny anareo roa mody nidiko fanina dia

Misy fotoa aho leo dia aleoko mangina
Misy fotoana aho te amaly faty nefa...
Tsy vitako ny manao ratsy anao iny

Fa..mandehana aza iverenana intsony
Lalanao tohizana dia za adinoy
Dia salama lessy e mba karakarao

Any indray aloha ny tenanao fa...
Zaho efa tsy mahavita intsony ..
Zaho koa efa reraka nanome fitiavana

Satria tsy norarainao akory...
Rehafa lasa aho dia aza antsointsoina
Raha tia ahy ianao tsy namilafila

Tsy nampitondra fijaliana fa...
Izay natolotro rehetra novalianao fifaliana
Nefa tsy mba misy fankasitrahana...

Raha ny iverina izany aloha mialatsiny
@ nao satria efa tsy tafa.....

Anjara tia✍🏻

FACEBOOKToko INanokatra COMPTE ao anaty FBPHOTO SHOP natao PDPRazoky nahita an'ilay PROFILNarary an-doha dia nihinana pi...
04/06/2024

FACEBOOK
Toko I
Nanokatra COMPTE ao anaty FB
PHOTO SHOP natao PDP
Razoky nahita an'ilay PROFIL
Narary an-doha dia nihinana pil

Dodona mihitsy nanao COMPTE FAKE
Nandefa JTM dia nifanaiky.
Rehefa nihaona, lazaiko aminao
Hay vadiny ihany no zakany tao!

Misy mi-J'AIME fa tsy mamaky
Atosiny kely ho dify malaky
Ianao mba ni-PUB hoe hisy hijery
Tsy niasany saina fa any dia very.

Aza mba tojo an'izay toy ireny
Na ny DEMANDE aza SIPRIMENY
Rehefa tsy mety andefaso MP
Sao mba manaiky ho AMI an'ise.

Nandefa MP aho dia nataony VU
Hay izy variana amin'ilay STORY :
Sarin'ny EX teny amin'ny bord
Norohany tao dia nomeny J'ADORE

'Lay zafikelin'i madame Voahangy
Tanaty FB no nianarany langue
Mihodina mihitsy ary ny azy ny sera
'Zao izy lasa INFLUENCEUR.

Nefa ny zavatra mampalahelo
'Reo manaparitaka tsiambaratelo!
Dia FILM X ve ry zalahy
No PUBLIENA manimba fanahy!

Hafatra kely rehefa EN LIGNE
Misy ny ilaina? Manaova SHOPPING
Ny mamoa fady no aza jerena
Fa Soratra Masina PUBLIENA
(...)
Patrick RAMAROSANDRATANA✍🏻

@

Zary nofy sisa😢Indrisy ry fitiavako dia nofy ve sisaIlay mba nantenaiko hitondra paradisaIlay masoandro kely efa niposak...
03/04/2024

Zary nofy sisa😢

Indrisy ry fitiavako dia nofy ve sisa
Ilay mba nantenaiko hitondra paradisa
Ilay masoandro kely efa niposaka
Indrisy ankehitriny ranomaso no mirotsaka

Ilay mba noheveriko hitantana ny tanako
Hitondra fahasambarana no indro nosoparana
Tsisy maminy intsony fa lasa tsirom-bahona
Mangidy ny fiainako fa voasongon-drahona

Ny ankasonao ry tany mafy loatra
Tsisy hindra-fo fa lasa any an-koatra
Hisaona anao malala no sisa azo atao
Hamadika ny lasa hanasitrana ny ratra💘

✍🏻❤

@followers

12/03/2024

Mba inviteo namana zareo an❤
De alefatsika ny asa-soratra e🙂mazotoa daholo❤abonneo.fa mety hisy cred ho an'izay tsara vitana🥲

Iny ianao inyIny ianao iny ilay nahababo ahyIny anao iny ilay tokana ho ahyIny ianao iny niandrasako hatrizayIny ianao i...
12/03/2024

Iny ianao iny

Iny ianao iny ilay nahababo ahy
Iny anao iny ilay tokana ho ahy
Iny ianao iny niandrasako hatrizay
Iny ianao iny ilay anjara ho ahy

Iny ianao iny koa ve mba to ahy
Manembonembona lava toa tsy hay
Iny ianao iny ilay anjarako ratrizay
Iny ianao iny ilay nampisokatra ny foko indray

Iny ianao iny ilay mahay ny momba ahy
Iny ianao iny tsy ho hadinoko ratrizay
Iny ianao iny ilay mahabe fakam-panahy
Iny ianao iny koa ve mba toa ahy??

Ny Diapenina✍🏻❤

SafidyNy fitiavana safidyDia ny tenanao mandidyHoe ity ilay efa nirikoTsy foiko ka tsy arikoHokoloiko isan'androSatria a...
30/01/2024

Safidy

Ny fitiavana safidy
Dia ny tenanao mandidy
Hoe ity ilay efa niriko
Tsy foiko ka tsy ariko

Hokoloiko isan'andro
Satria andefimandriko
Hokoloiko ho tamana
Safidin'ny foko dia ataoko salama

Tsy manahy fa voatokana ho ahy
Tiko tsy hanampetra fa aza manahy
Fa efa ianao ilay anjara ho ahy
Ho fenoiko fifaliana tsy asiko fijalina

Na inona miseo na inona mitranga
Efa ianao no safidin'ny foko
Ka sanatria raha hosoloiko
Fa ho kolokoloiko

Ho ventsoiko am-bavako
Satria ianao valim-bavako🤗

Ny Diapenina✍🏻

Manam_pitiavanaManam_pitiava izao sy ianaoKa aoka ho fantatrao fa...Io fitiavana io no lehibe indrindraTokana tsy ananan...
22/12/2023

Manam_pitiavana

Manam_pitiava izao sy ianao
Ka aoka ho fantatrao fa...
Io fitiavana io no lehibe indrindra
Tokana tsy ananana maro
Fa voajanahary nataon'ilay mpahary

Io fitiavana io manko tsy afo izy io
Fa...mandoro mahamay tsy zaka
Tsy lefona fa manindrona
Tsy aretina fa makarary
Ka izay milalao azy ihany

No...may sy maratra
Ka aoka tsy hizara roa ny fo nao
Io fitiavana io manko no aretina
Sarotra tsaboina indrindra
Ka...aoka re mba tsy afindrafindra

Ny fo anie ka iray ihany fa tsy hoe roa e
Ka olona iray ihany koa no tolory azy io
Ny zavatra tiko ambara dia izao
Ka indro ambarako aminao
Tsy kilala io fitiavana io fa mb kajio

Fitiavana tsy mety lany mamy no ambadik'izany
Omeo ilay olona iray izay tena tia anao ny fo nao
Mba anjakan'ilay fitiavana mamy
Aleo izy irery ihany no hitoetra ao
Aza ratraina izy fa tiavo dia hajao

Ilay nosafidin'ny fo nao
Mba ventsoventso ny ahy inyy
Kalokalo fa kosa mifono zavatra maro dia maro
Ny fitiavana hoa aho no lehibe indrindra
Fa ny fo nao re aza afindrafindra aa

Omeo ilay tena tianao fa...
Ho sambatra sy tretrika ery ianao
Ka na inona na inona aza mba mifandao
Ny adiady tsy maintsy misy
Fa resy ihany io raha fitiavana no mandidy

Diapenina✍🏻

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00
Sunday 09:00 - 17:00

Telephone

+33382317891

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rima posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category