08/08/2026
METEZA ALOHA MANAIKY
Tsy akory hoe nanadino aho
Raha toa tsy henoheno
Fa ny zava_misy iainako
No mihitsy efa manery
Mba hisintaka aminao
Tsy mamela antsika
Hiaraka ny lahatra sy anjara
Satria ny marina dia Izao
Efa manambady aho
Ka voatery handao anao
Na... aza ianao tsy foiko
Dia angamba tsy hadisoako
Ny hamela anao ho irery
Ilay fitia an_tsokosoko manko
Mifono zava_misitery
Ka ndrao aho ho voafingana
Hirobi_drano lalina
Hanjary tsy ho afa_bela
Amin' Ilay fitiavanao
Ka hanao ny tsy fanao
Meteza aloha manaiky
Izao zava_misy Izao
Fa na Izaho koa aza anie
Tsy mahita Izay ho atao e
Mbola tsapako hoe mahery
Ilay Fitiavako anao.
✍️ ARIMA 11/04/26✍️