30/07/2026
Na ho mora na ho mafy
Na mety handratra hahafaty
De,..ho vonona hiatrika na mafy aza ny ady
Hananganana ilay mamiratra amin'ny ho avy
Matetika mianjera fa tsy hataoko rano raraka
Efa imbetsaka no lavo fa handraisako ny lesona
Hoe fandresena no tambin'ny faharetana na valaka
De namisy maro manakivy dia sanatria ny hoe hiemotra