20/09/2023
Betsaka tamin'ireo tanora tsy afaka fanadinana Bakalorea sy BEPC no nahazo fanamarihana avy amin'ny RAD mikasika ny fahavarimbarianana be loatra amin'ny fampiasana tambazotran-tserasera. Latsa sy teny marary no mahazo ireo tanora; fanoherana be fahatany kosa no asetriny izany hany ka disadisa tsy mety miravona ny ao antokatrano rehefa olan'ny fampiasana tambazotran-tserasera no resahina.
Vokany: minia mikipy tsy te ahafantatra ny tombon'ny tambazotran-tserasera ny ray amandreny ary miandry fatratra ny fotoana hitanisana ireo vokadratsiny eo amin'ny fiainan'ny tanora.
Ny foronana hanohitra anatin'ny tanora kosa etsy andaniny mandrisika azy ireo hanampin-tsofina ka handany fotoana mihoapapana eo anoloan'ny solosaina sy ny finday hany ka tsy ankiato ny intsony ny fampiasana izany na anaty toeram-pivahana izay heverina ho masina indrindra, ka hatrany amin'ny toeram-pivoahana heverina ho maloto indrindra.
Rehefa atao ny fakan-kevitra, vahaolana matetika aroso ny tokony "handanjalanàna" ny fahaizana mampiasa tambazotran-tserasera, saingy olana tsy mbola nety nivaha mandrak'ankehitriny anefa io fahaizana mandanjalanja io. Ny mahatonga izany? miova, ary mitombo isan'andro ny filàna ny tambazotran-tserasera.
Raha ny salan'isa no jerena: manodidina ny 7% na 1,3 lavitr'isa amin'ireo mponin Afrikanina ihany no manana fahafana amin'ny fampiasana azy.
Ho an'i Madagasikara
30% 18-34 ans ihany no mpampiasa azy
15% 35-49 ans dia voatery mampiasa azy noho ny resaka Asa.
5% 50 miakatra dia mampiasa amin'ny resaka Fifandraisana
Raha fintinina: mbola azo lazaina ho vitsy ny taham-pampiasana ny tambazotran-tserasera eto Madagasikara sy aty Afrika raha mitaha amin'ny Firenena mandroso. Na izany aza anefa, tandindomin-doza ny fanabeazana satria miha mahazo vahana ny fifanoheran-kevitry ny Ray amandreny sy ny zakana momba ny fitantanam-potoana amin'ny fampiasana tambazotran-tserasera.