Reaf'Miandry

Reaf'Miandry Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Reaf'Miandry, Poet, Tanà, Antananarivo.

ity sombin'ny tononkaloko tinao indrindra ity ry zoky Dol'aj Andriamihaja no entiko hanaovana veloma anao🤍Mandram-pihaon...
17/09/2025

ity sombin'ny tononkaloko tinao indrindra ity ry zoky Dol'aj Andriamihaja no entiko hanaovana veloma anao🤍
Mandram-pihaona🥺 tsy ho adino ny hanatra sy hafatra ary ny tsikitsiky nentinao nifandraintsika🤍

indro sombiny ihany no afaka hatolotro fa rehefa tonga ilay fotoana havoakako manontolo😥
misaotra amin'ny fanohanana🤍

🤍NODY MANDRY🕊️..
Fa raha toa mbola misy,
Miantsa sy mahatsiaro an'ireo tononkalony
Dia araiketo ao an-tsaina, tazomy tsy handalo:
Fa iny mpanoratra nody mandry iny,
Tsy ho very na oviana!
"Tsy maty izy akory, fa mbola matory."

Reaf'Miandry
14-05-2023
21h49
Faralaza Talatamaty

MANDRIA AM-PIADANANA Zokibe Dol'aj Andriamihaja 🤍🕊️

Fitiavana ❤️ : Mitoetra ho doria tsy hivadika na ovianaTanindrazana 🌍 : Tany nolalaina niandohana niaviana Fahafahana 🇲🇬...
10/11/2024

Fitiavana ❤️ : Mitoetra ho doria tsy hivadika na oviana
Tanindrazana 🌍 : Tany nolalaina niandohana niaviana
Fahafahana 🇲🇬 : Nokendrena mba hiainana hanarenana ny ho avy
Ady ⚔️ : Anaty fanaintainana adin-tsaina mampanavy
Alahelo 💔 : Teraky ny misy tsy niniana fa nampoizina
Tononkalo 📜 : Manainga ireo tsiahy izay mirohitra
Embona 💭 : Tsiaro mangina mahalasa eritreritra
Ankohonana 👨‍👩‍👧‍👦 : Iankinan'ny fiainana sy izay misy rehetra

✍️Reaf'Miandry ✍️ 10-11-2024 ✍️21h38✍️ Faralaza Talatamaty ✍️

✊29 Martsa 1947🇲🇬Tolom-panafahana ho an'ny TanindrazanaTolom-panafahana ho an'ireo taranakaFahafahana niadian'ireo razan...
29/03/2024

✊29 Martsa 1947🇲🇬

Tolom-panafahana ho an'ny Tanindrazana
Tolom-panafahana ho an'ireo taranaka
Fahafahana niadian'ireo razana
Fahafahana omena antsika zanaka

Fa maro ireo nijaly
An'alina ireo maty
Tsy votanisa ireo narary
Sy niaritra ny tsy tanty

Ra nipatrapatraka
No namonto firenena
Fitiavan-tanindrazana
Hono mantsy no kendrena
Ka na varatra hilatsaka
Na basy amoron-tenda
Dia tsy navelan'izy ireo hiraraka
I Madagasika reny

Tolom-panafahana
Fanavotan-tanindrazana
Mba tsy ho intsony ho zanahana
I Madagasikara izay no tanjona

Azo ny fahaleovantena
Natsangana ny saina
Nodradraina, nokendrena
Malagasy iray aina

Saingy indrisy ankehitriny
Hatraiza loatra mba lazao
F'ianao ry Gasy toa vahiny
Eto amin'ity Nosinao?

Tsy misy tohainao avokoa
Izay lazaina fahendrena
Dia maro ny manao kitoatoa
Amin'ny fiainam-pirenena

Ireo tanora koa ankehitriny
Ireo mba hoavim-pirenena
Tsy teny Gasy fa vahiny
No lazainy fahendrena
Fa mahamenatra azy
Marim-pahantrana hono
Ny teny Malagasy
Tenin'olona tsy ambony

Mampalahelo koa
Fa ny toe-tsaina mihitsy no tena "VOA"
Voasasa, Voazanaka, Vomboly ihany koa

Fa ny tena mahontsa
Dia ireo nanolo-tena
Nanao vy very ny ainy
Ho an'ny hoavim-pirenena

Tolom-panafahana ho an'ny Tanindrazana
Nomeny tsy notambazana
Tolom-panafahana ho an'ireo taranaka
Saingy indrisy mahonena ankehitriny ny avalin'ireo zanaka.

✍️Reaf'Miandry✍️Zoma 29 Martsa 2024✍️06ora 44minitra hariva✍️
Tao Faralaza Talatamaty✍️

💒ALAKAMISY MASINA🛐 "Ny ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia ianareo mifankatia."❤️Alakamisy masinaI Je...
29/03/2024

💒ALAKAMISY MASINA🛐
"Ny ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia ianareo mifankatia."❤️

Alakamisy masina
I Jesoa nanasa ny tongotry ny mpianany
Nampianatra fanasina
Mba hifankatiavany

Nanorina latabatra
Sakafon'ny fiainana
Hahatonga antsika hitambatra
Voadion'ny tarainany

Fa hafatra navelany
Talohan'ny nijaliany
Ny hifankatiavantsika
Izay no tena tiany

Fa izay mino ny Anarany
Tsy maintsy mankatoa ny didiny
Mba hahazoany ny hasambarany
"Mifankatia ireo nofinidiny".

Mba ho mpirahalahy
Hifanasoa tokoa
Ka hifampitondra am-bavaka
Na amin'ny ratsy na ny soa.
..

✍️Reaf'Miandry✍️ Alakamisy 28 Martsa 2024✍️ EKAR Masina Misely Faralaza✍️ 10 ora 22 min alina✍️

🇲🇬NY TENIN-DRENY🇲🇬21 febroary : "andro maneran-tany ho an'ny tenin-dreny".Nozaraina tsy voavidyNambolena ho lalainaHaren...
21/02/2024

🇲🇬NY TENIN-DRENY🇲🇬
21 febroary : "andro maneran-tany ho an'ny tenin-dreny".

Nozaraina tsy voavidy
Nambolena ho lalaina
Harena sarobidy
Efa raikitra ao an-tsaina

Ny teny malagasy?
Tenindrazako tsy foiko
Teny manan-kasina
Voazara isa-poko
Fa mitambatra ho iray
Ekena maro loko
Fa tena mampiray

Ho ahy ny tenin-dreny?
Manan-danja loatra
Io no hany teny
Nampianatra ahy hivoatra
Tena tiako koa
Lalaiko tsotr'izao
Tsy manam-paharoa
Teny kanto sady soa

Ka angatahiko aminao
Iangaviako indrindra
Hajao ny teninao
Tiavo fa aza ariana

Reaf'Miandry
21 febroary 2024
02ora 39min
Tranombokim-pirenena

🎤ANTSA TONONKIRA🎶Tononkalo, tononkiraNoantsaina, nohirainaMpanoratra sy mpihiraNo indreo mizara ainaAnaty firaisankinaZa...
12/02/2024

🎤ANTSA TONONKIRA🎶

Tononkalo, tononkira
Noantsaina, nohiraina
Mpanoratra sy mpihira
No indreo mizara aina
Anaty firaisankina
Zava-kanto notsongaina

Reaf'Miandry✍️ 12 Febroary 2024✍️ 06ora50min✍️

💗📻Anio hariva ny fotoana amin'ny fandaharana "Bitsika fanahy" ao amin'ny Radio plus 100.2 fm amin'ny 7ora alina. Ary ara...
01/02/2024

💗📻Anio hariva ny fotoana amin'ny fandaharana "Bitsika fanahy" ao amin'ny Radio plus 100.2 fm amin'ny 7ora alina. Ary arahintsika ao amin'ny Up TV Startimes sy ao amin'ny pejy fesiboky Bitsika fanahy📱💗

🎶Antsa tononkalo sy resadresaka📖

📖SINGO-PANAHY📕Ainga maro loko🌈Nitambatra ho iray💯Tsy nanavaham-poko🇲🇬Fa herin'ny fanahy💭Ny ho fanahy mirenty teny📜Haraki...
10/01/2024

📖SINGO-PANAHY📕
Ainga maro loko🌈
Nitambatra ho iray💯
Tsy nanavaham-poko🇲🇬
Fa herin'ny fanahy💭

Ny ho fanahy mirenty teny📜
Harakitra ho haren-tsaina💎
Ho vakoka ho an'ny firenena🇲🇬
Nokaliana ka "Hajaina"🎩

Reaf'Miandry 09-01-2024
22h23
Faralaza Talatamaty

KAPOAKAFeno dia nihoatraFa mila hanalanaTsy mety fa mitroatraMirongatra tsy tanaMirohitra te-hivoakaTe-hiala tsy ho ao i...
08/11/2023

KAPOAKA

Feno dia nihoatra
Fa mila hanalana
Tsy mety fa mitroatra
Mirongatra tsy tana

Mirohitra te-hivoaka
Te-hiala tsy ho ao intsony
Ilay ao am-po tsy milaoka
Manavesatra ilay fony

Alahelo, hatezerana
Fahoriana, fahasorenana
Tsiky sy hafaliana
Sangy, kindrindrina
Tsy lasa fa mitoetra
Manimba izato fo
Ka izay hatao rehetra
Zary makarary loha

Fa na sento sy tomany
Na haravoana ny eto an-tany
Tsy mety raha kobonina
Ho anao irery
Ka aza re tazomina
Fa mahatonga fery
Mandrotika ny anaty
Manimba mahafaty

Reaf'Miandry 08-11-2023 19h10 Alarobia Amboniloha

Misy hisainana🤯Hianatra any ampita🛫Dia hivaro-tanindrazana🏡Ka moa rehefa tafita ve🎓Aiza no hamantana?🛬Raha ijanona eto a...
20/10/2023

Misy hisainana🤯

Hianatra any ampita🛫
Dia hivaro-tanindrazana🏡
Ka moa rehefa tafita ve🎓
Aiza no hamantana?🛬

Raha ijanona eto anefa🤔
Ka hilofo hatrany hatrany📚
Mba inona no ho efa?❓
Moa mba hivoatra va ny ankany?🏙

Ka hoy aho manontany,🧐
Mba lazao izay mety re:👍
Hijanona eto ihany🙋
Sa hiomana handeha?🏃

🖋Reaf'Miandry🖋 20-10-2023🖋 10ora🖋 Bibliotheque nationale🖋

Address

Tanà
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Reaf'Miandry posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category