Njaka Mpikabary

Njaka Mpikabary Teny voalanjalanja , lova tsy levona

ilok'iloka ravintseva sevabe tiamboloky boloky matsetsana malama vava vava kinga mpanao safosioka safosioka malefaka mam...
13/07/2026

ilok'iloka ravintseva sevabe tiamboloky boloky matsetsana malama vava vava kinga mpanao safosioka safosioka malefaka mampandry adrisa adrisa tonga taona mandao ny tsimbotry tsimbotry borera sakaizan'ambola ambolo bitaka ambolo matavy fa na zovy mahay manimbolo na zovy mahay manihibola zavatra tsy hay tsy hibitabitahana.

10/07/2026

miondrika ny loha fa ditsoka ny maso malemy tanana mikolepa-pamindra, vahotra ny vava mitete ny ranomaso, fa izy lasan-davitra,lasa nifindra, lasa ny Ray Aman-Dreny mpanoro sy mpanome lesona ka dia ory ny fo sy ny fanahy ka nefa tombon-dalana ny an'i zokibe filoha Jean Jacque fa isika mbola rehetra dia samy miandry ny lahatra

07/07/2026

Tompokolahy sy tompokovavy !"Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona, fa ny olona atosiky ny fitiavana."

Tongasoa eto amin'ny pejy NJAKA MPIKABARY.Ity no fiandohan'ny dia, hanandratana ny kabary malagasy sy ny hasin'ny teny. ...
06/07/2026

Tongasoa eto amin'ny pejy NJAKA MPIKABARY.
Ity no fiandohan'ny dia, hanandratana ny kabary malagasy sy ny hasin'ny teny. Ny tanjon'ity pejy ity dia ny hizara fahalalana, hifanakalo hevitra ary hiaro ny kolontsaina sy ny soatoavina navelan'ny razantsika.
Raha tia ny teny malagasy sy ny kabary ianao, dia tongava hiaraka aminay. Araho ny pejy, zarao amin'ny namanao ny votoatiny, ary andao hiara-hampita amin'ny taranaka ny lova sarobidy navelan'ny razantsika.
"Tiako ny teniko, tiako ny taniko."

Address

Anosibe Antananarivo
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Njaka Mpikabary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share