EKAR Mandroseza

EKAR Mandroseza EKAR Masina Maria Virjiny Renin’Andriamanitra Mandroseza - Page Officielle

VERSET DU JOUR🌿 « Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo hianareo. » — Lioka 6:36Tsy mora ny mamela heloka...
10/08/2026

VERSET DU JOUR
🌿 « Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo hianareo. » — Lioka 6:36

Tsy mora ny mamela heloka, indrindra rehefa olona iray no nandratra antsika, nanafintohina na nanao ratsy tamintsika.😤 Matetika dia ny fontsika no miteny hoe: “Tsy mendrika ny hahazo famelan-keloka izy.”

💡Nampianarin’i Jesoa anefa isika fa tsy ny fahamendrehan’ilay olona no tokony hamaritra ny famindram-pontsika.
Andriamanitra aza dia mamindra fo amintsika na dia imbetsaka aza isika no manao fahadisoana.

Ny famelan-keloka dia tsy midika hoe manaiky na manadino ny ratsy natao tamintsika.
Fa midika kosa hoe mamela an’Andriamanitra hanasitrana ny fontsika❤️‍🩹, ary tsy mamaly ratsy amin’ny ratsy.

Koa rehefa misy olona mandratra antsika, aoka isika hahatsiaro fa isika koa dia olona mila famindram-pon’Andriamanitra. Enga anie ny fiainantsika haneho izany famindram-po izany amin’ny alalan’ny famelan-keloka, fangorahana ary fitiavana.🫂

TORITENY ANIO Alahady 09 Jolay 2026 ✨Mampatoky ny manantona an’i Jesoa Mpamonjy. 🌿 Ao anatin’ny tafio-drivotry ny fiaina...
09/08/2026

TORITENY ANIO
Alahady 09 Jolay 2026

✨Mampatoky ny manantona an’i Jesoa Mpamonjy.

🌿 Ao anatin’ny tafio-drivotry ny fiainana, aza avela handresy anao ny tahotra sy ny ahiahy. Manatòna an’i Jesoa Mpamonjy, fa eo Izy, mihaino, mampahery ary manome hery antsika.

🙏 Matokia an’Andriamanitra, ankafizo ireo fahasoavana omeny, ary zarao amin’ny hafa izany.

💡 VAVAKA
Ry Jesoa Mpamonjy ô, ampianaro izahay hatoky Anao na dia mandalo sedra mafy ary ny fiainanay. Omeo fo tony izahay, esory ny tahotra sy ny ahiahinay, ary ampahatsiahivo anay mandrakariva fa tsy irery izahay, satria eo anilanay Ianao.
Ampio izahay hahatsikaritra sy hankasitraka ireo fahasoavana omenao, ary hizara izany amin’ny hafa. Amen!

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra!

Miarahaba antsika rehetra, Hafatra kely hoentitsika mamakivaky ny tontolo andro anio : 📖 Md Joany 16:33 "Izaho no nilaza...
05/08/2026

Miarahaba antsika rehetra,

Hafatra kely hoentitsika mamakivaky ny tontolo andro anio :

📖 Md Joany 16:33
"Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana hianareo eto amin'izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an'izao tontolo izao aho."

📢 FAMPATSIAHIVANA Mampatsiahy antsika rehetra ny fivoriana izay ho atao :  📆 Daty : Alahady 09 Aogositra 2026 ao aorian’...
02/08/2026

📢 FAMPATSIAHIVANA

Mampatsiahy antsika rehetra ny fivoriana izay ho atao :

📆 Daty : Alahady 09 Aogositra 2026 ao aorian’ny lamesa maraina.

👥 Ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny Commission Communication - Sport - Loisirs et Evenements indrindra ihany koa ireo rehetra maniry ny hanatevin-daharana ao anatin’izany fikambanana izany.

✨ Ny fahatongavan’ny tsirairay sy ny fandraisana anjara mavitrika no antoky ny fahombiazan’ny asa iombonana.

Koa manasa antsika rehetra ho tonga ara-potoana sy handray anjara am-pitiavana.

🙏 TORITENY ANIO ALAHADY 02 Aogositra 2026 | EKAR MANDROSEZA✨ “Ray aman-dReny Andriamanitra fa mpamelona ara-nofo sy ara-...
02/08/2026

🙏 TORITENY ANIO ALAHADY 02 Aogositra 2026 | EKAR MANDROSEZA

✨ “Ray aman-dReny Andriamanitra fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy”

Nasehon’i Jesoa tamin’ny Evanjely fa miahy ny olombelona manontolo Izy: mampianatra ny saina, manasitrana ny vatana ary mamelona ny fanahy :
👉 Ny m**o dimy sy hazandrano roa dia ampy namahanana vahoaka maro, satria natolotr’I Jesoa tamim-pinoana.

Toy izany koa ny fiainantsika. Rehefa apetratsika eo am-pelatanan’I Kristy na ny ahiahintsika, ny fahoriantsika indrindra fa ny fanantenantsika, dia ovainy ho fitahiana sy fahasoavana mihoatra noho izay eritreretintsika.

✝️ Ny Eokaristia izay Vatana aman-dRan’I Jesoa no sakafo mamelona ny fanahintsika, mampiray antsika Aminy sy manome hery antsika hiaina ny finoana isan’andro.

💡Koa andeha hanomana ny fontsika amin’ny fibebahana sy ny Sakramentan’ny Fampihavanana, mba handraisantsika Azy amim-pahamendrehana.

🤍 Aza matahotra! Tsy misy afaka mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra raha mitoetra ao Aminy isika. Na inona na inona sedra atrehinao anio, matokia fa eo foana I Jesoa, miandry anao hiverina sy hifikitra Aminy.

🙏 Vavaka:
Tompo ô, ampitomboy ny finoanay, omeo fo madio izahay, ary aza avela hisaraka Aminao na oviana na oviana. AMEN

Mirary Alahady feno fahasoavana sy herinandro feno fitahiana ho antsika rehetra! 🙏✨

"Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny voa...
02/08/2026

"Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny voanareo."
Joany 15:16

Amin-kafaliana lehibe no iarahabanay anao, P. Paul Sylvain Ratsimbazafy, noho ny fanoloranao tanteraka ny fiainanao ho an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny voady mandrakizay.🙇

Izahay Kristiana eto amin'ny EKAR Mandroseza dia misaotra sy manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny fiantsoana nomeny anao🫂. Mivavaka izahay mba hanome anao hery sy fahendrena mandrakariva Izy, ka hahatonga anao ho mpanompo mahatoky sy hitondra vokatra be ho an'ny Fanjakany.🕊️

Mirary fifaliana, fiadanana, fitiavana ary fahasoavana tsy manam-pahataperana ao amin'i Kristy ho anao izahay😇.
Enga anie ny Fanahy Masina hitarika sy hiaro anao isan'andro amin'ny iraka masina nankinina taminao.🕊️

🙏 Tongava hiara-hankalaza ny Eokaristia amin’ny Alahady faha-18 mandavantaona.Amin’ity Alahady ity dia ampahatsiahivin’n...
01/08/2026

🙏 Tongava hiara-hankalaza ny Eokaristia amin’ny Alahady faha-18 mandavantaona.

Amin’ity Alahady ity dia ampahatsiahivin’ny Tenin’Andriamanitra isika fa Ray aman-dreny Andriamanitra, tsy mamelona antsika ara-nofo ihany, fa mamahana sy manatanjaka antsika ara-panahy koa.

Koa andao hanatona Azy amim-pinoana sy fo misokatra, handray ny Teniny sy ny Vatany, loharanon’aina sy hery ho an’ny fiainantsika.

⛪ Tongava maro, hiara-hivavaka sy hankalaza ny Tompo ao amin’ny EKAR Mandroseza. 🙏EKAR Mandroseza

31/07/2026

✨Ry tanora, aza kivy amin’ny sedra sy ny ahiahy. Tsy ny fahadisoanao na izay mety ho kilemanao no mamaritra anao, fa ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiantsoany anao. Matokia, fa mbola manana drafitra tsara ho anao Izy.

📖 1 Timoty 4:12

“Aza manaiky hisy hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao; fa aoka ianao ho fakan-tahaka ho an’ny mpino amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana ary amin’ny fahadiovana.”

Ry Ray aman-dReny malala, Tsy mora ny miatrika ny adidy aman’andraikitra maro samihafa nankinin’Andriamanitra tamintsika...
29/07/2026

Ry Ray aman-dReny malala,

Tsy mora ny miatrika ny adidy aman’andraikitra maro samihafa nankinin’Andriamanitra tamintsika.
💡Kanefa aoka hotsaroantsika fa ny ezaka rehetra atao am-pifaliana sy am-pitiavana dia hitan’Andriamanitra avokoa.

🏡 Aoka i Kristy no ho fo sy fototry ny ankohonantsika.

✨ Enga anie I Jesoa, I Masina Maria sy Masindahy Josefa izay mandrafitra ny Fianakaviana Masina hanome hery sy fahasalamana ny Ray aman-dReny rehetra amin’ny fiantsoana masina nankinina taminy.

“Mety ny mahafoy izay tsara mba hahazoana ny tsara kokoa.” ✨Aoka isika tsy hikatsaka ny harena mandalo, fa hifidy an’i J...
26/07/2026

“Mety ny mahafoy izay tsara mba hahazoana ny tsara kokoa.” ✨

Aoka isika tsy hikatsaka ny harena mandalo, fa hifidy an’i Jesoa Kristy, Ilay Harena tsy mety lany.

Enga anie ity Tenin’Andriamanitra nozaraina tamintsika tao ampiangonana androany ity hanazava ny safidintsika sy hanamafy ny finoantsika mandrakariva.

Mirary herinandro sambatra sy feno fahasoavana ho antsika rehetra! 🙏

Address

Mandroseza
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EKAR Mandroseza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category