30/07/2026
"๐๐๐๐ ๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐ฎ, ๐ฃ๐ฎ ๐ง๐๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ค ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐-๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐."
Io Oha-pitenenana io dia nipoitra avy amin'ny soatoavina malagasy fahiny, izay nanome lanja lehibe ny fifanajana sy ny fihavanana teo amin'ny mpivady sy ny fianakaviany.
๐๐๐ข๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐๐ง๐ค ๐ฉ๐๐ก๐ค๐๐ ๐จ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐๐ซ๐ค๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃ'๐๐ฏ๐๐ค ๐๐๐ ๐ข๐๐ค๐ก๐ ๐ข๐๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐ ๐๐ค ๐จ๐ค๐๐ฉ๐ค๐๐ซ๐๐ฃ๐ ๐๐ค
Tamin'ny andro taloha, mbola tsy nisy jiro na fanilo teny rehetra teny, ary matetika dia lavitra ny trano ny toerana fidiovana. Rehefa nisy olona, indrindra ny rafozam-bavy, hivoaka amin'ny alina, dia mety hiteny hoe: "๐๐๐ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐ฎ ๐๐๐ค." Tsy midika velively izany hoe hijery azy hitanjaka na hanitsakitsaka ny fiainany manokana, fa kosa hiaraka aminy mba hiantoka ny fandriampahalemany, hanazava ny lalana, hiaro azy amin'ny loza mety hitranga, ary hahazoana antoka fa tonga soa aman-tsara izy.
๐๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐ฃ๐ฎ ๐จ๐ฎ ๐๐๐จ๐๐ฃ๐ฎ
Izany no tena hevitry ny hoe "mitsinjo" eto: fikarakarana, fiambenana ary fiahiana amim-panajana.
Noho izany, rehefa lazaina hoe "Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha," dia tsy hoe asandratra mihoatra ny vady ny rafozana, fa ampahatsiahivina kosa fa ny olona tena tia ny vadiny dia maneho izany amin'ny fanajana sy fikajiana ireo ray aman-dreniny sy ny fianakaviany. Ny fanomezana hasina ny rafozana dia isan'ny fomba iray hanehoana fanajana sy fitiavana ny vady sy hitandroana ny fihavanana ao anatin'ny fianakaviana manontolo .