Douze Kely

Douze Kely Délire anonyme

Fady andramana!Tsy ampy dozy ilay douze kely Hany ka nanandrana nitsindrona fahafatesanaDimapolo isan-jato ny fanantenan...
17/04/2026

Fady andramana!

Tsy ampy dozy ilay douze kely
Hany ka nanandrana nitsindrona fahafatesana
Dimapolo isan-jato ny fanantenana hahavelomana na koa oe..
veloma ry tany hoy ny fitenenana

Ampidiriny elah amin’ny voalohany
Ampanandramany izany atao oe
mandona noho ny rongony
Ireo zay efa azony moa dia mandraingiraingy
Toa hoetin-javatra tsy hay oe nahoana
Fa dia midongizina toa moana

Mangalatra! mamono!
Tsy fantany intsony ianao ry se fa mikisana
Sao dia ipitihan’ny haromontan’ny atao oe malady
Forehitra anaty tsy afa manotra
Fa dia mila mitady …
Mitady tady

Atao oe adala toa salama ihany
Salama toa mivarina an-kady
Tsy tahoatra tsy henatra
Fa lasa mangalatra sy mampijaly
Ray aman-dreny, vady, zanaka samy mahazo ny anjarany avy
Ny hiafarany Dia ny fiainana mihintsy no hananatra
Koa moramora ihany

Rahalahy, ranabavy, ry tanora mitovy amiko
Namako ianao
Andrana tokana dia mety hanova ny tataram-piainanao

Ny revy misy fona fa Tandremo !
Tsy izay rehetra atao hoe tsara dia marina
Fa misy ny tsara tsy azo andramana
Koa aleo mipetraka dieny mbola tsy tara
Mahaiza mankafia fiainana fa..
tsy misangy aminao rafahafatesana


#+++

Tsy ampy kely!Tsy ampy kely ilay fidirana Tsy fampisehoana akory ioNa resaka mitongilana faatongilano ny masonaoRaha ije...
16/04/2026

Tsy ampy kely!

Tsy ampy kely ilay fidirana
Tsy fampisehoana akory io
Na resaka mitongilana fa
atongilano ny masonao
Raha ijery zava kanto

RaMaka no anarany
Mainty no salovatavany
Milanja antsy pika maranitra
Zay no tena Asany
angamba fa…

Aoka aloha fa tsy azoko!
Sahady ve hoy aho !!…
…Ay kay Efa tonga ilay datin ‘ androko
Tsy nisy azoko natao
fa dia lasa ary zao

Vola? Tany? Fiara?
Oento hoy izy Raha ireo no tsy haritrao
Fanahy mitafy hoditra ka tsy afaka ny haninona

Itondra ihany ve?
Tsy aleo ilay douze kely!

Teo vao Nikorapaka nibebaka sy nifona
Oe aoka re aloha
Saingy RaMaka tsy mahay
Afatsy ny Asany ihany

Lasa ary zao!

Io vatanao nokoloina tao anatin’ny taona maro
Toa lasa miverina any amin’ny tompony
Tsy hay oe iza no handova izato hatsaran-tarehy
Saingy kosa tsy misy azonao atao afa tsy ny…
Manaiky!
Ramose, madame
Jereo ireo ota natao
Toa zary raofina Amin’ny taonina
Tsy misy kolikoly avo lenta aty
Fa samy mandray ny voa nafaniny

Kanjo nisy feo niantso mafy
Mifohaza amizay fa tara
Kay nofy ilay izy
Soa ihany hoy aho fa tsy tara
Andeha hiasa
Nofy Mifono mistery
Hay kay zay ilay oe …tsy ampy kely!

Sarandalana tokana no ilaina
ka mahaiza misafidy
Tratraro ny tanjonao
Vitao ny adidy

Adidy hanasohavana ny hafa
Mba tsy ho tojo ilay atao oe…
Takizay? Mifona re?
I RaMaka tsy misomonga rehefa tena tonga ilay daty sy ora

Tsy masina aho akory
Fa otranao ihany
Fakam-panahy ve?
Feno zany rahalahy, ranabavy
Ety an tany malama maina ihany

Efa tonga eto amilay oe mba mividina tsika ry namana
Ka hatreo indray aloha ny anio
Averiko foana fa mpindrana aho fa tsy tompony!
Nanandrana nijery ifotony ny hatsaran’ny poesia


#+

Afenina anefa tsy hita!Nandray penina aho anio harivaNaka naka, nandinika ny mety ho avokan’ ny amparahatoka Ka izao ary...
15/04/2026

Afenina anefa tsy hita!

Nandray penina aho anio hariva
Naka naka, nandinika ny mety ho avokan’ ny amparahatoka

Ka izao ary!

Olon tsotra toa anao ihany aho
fahafito ao anatin’ny enina
Afenina anefa tsy hita
Tedavina toa mora fona

Aiza zoky e, zandry
Douze kely aho fa tsy tompony fa mpindrana
Mankafy ny zava-kanton’ny poesia

Eny e,
Nanandrana ! nandray…… penina
Miloko fotsy ny ahy eto
Fa tsy mainty na manga na koa oe mena

Izarana aminareo ny kely izay mba takatry ny saiko
Soratan’ ny tanako saingy kosa
mbola tsy naloaky ny vavako

Maro ny zavatra tiako ambara fa ny anio aloha
Aleo taperina hatreo
Sady ilay Douze koa ity toa efa lany rahateo


Address

Antananarivo
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Douze Kely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category