Nidiari Fi

Nidiari Fi poezia ny miaina ��

...Nihevitra ny lanitra ho tsisy zanahary ahoHatramin'ny ny minitraNifanojoantsikaTeny an'habaky ny nofyTamin'iny indrin...
02/03/2026

...
Nihevitra ny lanitra ho tsisy zanahary aho
Hatramin'ny ny minitra
Nifanojoantsika
Teny an'habaky ny nofy
Tamin'iny indrindra aho vao nino sy natoky
Fa hay ny hasambarana
Mandona ambaravarana
Rehefa andrandraina..!
Tsy nino ny ahy ny saina
F'izao efa tanteraka vao tretrika ato anaty
Nivelatra tsinahy lay voninkazo maty
Tan-tokotanim-poko
Niova ho hafaliana reo jaly sy toloko
Fiventson'ito peniko
Etoana koa tsy afeniko fa
Feno ny fitiavako
Tò sy efa mivaly ny rehetra tonombavako...
NIDIFY 2020

Te hiantsa ho anao fa mbola gara feo dia aleo mangina sanatria hivalana.Te hihira antsofinao saingy indrisy fa hay moa n...
22/01/2026

Te hiantsa ho anao fa mbola gara feo dia aleo mangina sanatria hivalana.
Te hihira antsofinao saingy indrisy fa hay moa ny feo ary ity tsy anana
dia aleoko manoratra andalan-teny fohy,
hono ho'aho? Ankasitrahanao ve ny antsika raha mbola hitohy?
Mba ampahatsiahivo hoe inona no tena ankafizinao fa andramako tanterahana,
tsy maninona fa androany omeko anao ny fahafahana...
fahafahana milaza faniriana telo toy ny amin'ireo tantara antsary,
androany aho mba hanome alalana ka ho inona avy ary?
Tanisao, mahaiza mifantina sanatria tsy ho diso safidy....
(tsy hitako ntsony zay lazaina 🤧🤣)
M-M 1644.2423

*Si aujourd’hui, on parlait de nous*Si aujourd’hui je parle de nous deux,  Sache d’abord qu’au début, c’était le feu.  L...
02/11/2025

*Si aujourd’hui, on parlait de nous*

Si aujourd’hui je parle de nous deux,
Sache d’abord qu’au début, c’était le feu.
L’amour, c’est ce qui nous a réunis,
Sans lui, rien de tout cela n’aurait pris.

Un regard lancé, puis une approche discrète,
Et soudain, nos âmes devinrent complètes.
On s’est trouvés, tout semblait clair,
Unis sous la lumière d’un doux mystère.

Mais un vide a grandi dans notre histoire,
Ton rire, ton souffle… devenus illusoires.
Les mots d’hier se sont évanouis,
Et la flamme d’amour faiblit, s’enfuit.

Je ne peux croire que tu as tout oublié :
Les promesses, les rêves qu’on a partagés…
Un amour, une amitié, des rires offerts,
Qui peuvent s’effondrer en un éclair.

Mais au fond de l’ombre, je garde une lueur,
Un reste de nous, plus fort que la peur.
Car ce qu’on a vécu n’est pas effacé,
Il sommeille peut-être, prêt à se réveiller.

Et si demain, on réapprenait à s’aimer,
À se parler sans se blesser ni douter ?
Un pas, un regard, une main tendue,
Et peut-être que tout renaîtrait, peu à peu.

Je ne veux pas forcer, ni retenir le vent,
Mais si ton cœur m’entend, même doucement…
Sache que je suis là, sans rancune, sans bruit,
Prêt à recoller les morceaux de nos nuits.

Alors si aujourd’hui, on parlait de nous,
Je dirais que rien n’est perdu, surtout.
Car l’amour vrai traverse les silences,
Et revient toujours… quand on lui laisse une chance.

~ Nidiari Fi ~

12/03/2025

Tia tononkalo moa ianao?
Alefaso eto fa ho antsaiko amin'ny hafatra miafina ary hoe ilay tena ankafizinao iny!🥰
Aza hadinoina ny mitia sy manaraka ny pejy raha sitrakao 🙏😘

MISY FITIAMisy fitiavana mahalala ononaHitoetra amin'ny tiana n'ino-manjòSahy misedra ary tsapa fa vononafitiavana be fe...
06/03/2025

MISY FITIA

Misy fitiavana mahalala onona
Hitoetra amin'ny tiana n'ino-manjò
Sahy misedra ary tsapa fa vonona
fitiavana be fenoin-kerim-po

Misy fitiavana mahari-pery
mahavita miaritra zavatra maro
Miara-mihosona tsy mamel(a)'irery
tanjona hatrany ny hifampiaro

Misy fitia mahazaka tadio
sy rivo-mandoza masiaka fidòna
Misy fitia tsaroana ho madio
Rehefa voafafy fanolokoloana

Fa misy koa fitia tsy voakasi-doto
mahalala miala fakam-panahy mierona
Matanjaka sy mafy ary voaporofo
ho fitia matàna velona!

NIDIFY

HO TIA SY TIANATahotra hanaiky ny zava-misy angambaDia mihambahambaTsy miaiky fa hitiatsy sahy mamboraka any hoe afa-mia...
04/03/2025

HO TIA SY TIANA

Tahotra hanaiky ny zava-misy angamba
Dia mihambahamba
Tsy miaiky fa hitia
tsy sahy mamboraka any hoe afa-miara-dia!

_Tahotra ny ho very sy haratra indray mandeha
dia minia ts'handre
ny bitsika mitsòka atosaky ny tiana,
mody mba variana

_Mety koa manahy zay ho vokatry ny ho avy
dia tsy sahy manantona azy
fa mibahana ao anaty
ny "sao" sy "ary raha" miampy zava-dratsy...

Kanefa:

_Zònao ny mitia sy hanam-piaina-tsambatra
fa ny fiainana tsy mpiangatra
hamela anao hijaly
meteza indray hifaly!

_Raha sendra misy ihany pitik'hafanana mikobona fitia
Mandraisa ianao fepetra, tozoy ange ny dia
fa hisy fahasambarana hamelana hafakely ny tontolonao
Andramo ka zahao!

_Tiava dia sahia mamoha indray ny fo
higoka ny hatsaran'ny fitiavan'olon-droa
tsy misy fanahiana
fa ho tena tia sy tiana!

Nidiari Fi

21/02/2025

FASANA..

21/02/2025


18/02/2025

Nofiso...

"Raha manana omena..."Fitiavana omena raha manan-katolotra,Orohy aho imolotra[...]Raha manan-komena?Asio volamena Ny tan...
17/02/2025

"Raha manana omena..."

Fitiavana omena raha manan-katolotra,
Orohy aho imolotra
[...]
Raha manan-komena?
Asio volamena
Ny tanako havia
f'izaho nge eto ka vonona hitia!
Hanome ny rehetra ao anatin'ny foko
Fitiava-madio tsy voakasi-doto,
fa mamy dia mamy.
Vonona be hanorina akany
Ho fenoina fitia,
hikatsaka hatrany ny hahasambatra andrÿ
Amin'ny andro rehetra,
tsy asiana fepetra..!
Ka fitiavana omena raha raha vonon-kizara izay misy aminao
fitiavana atao!

Nidiari Fi Desambra 2023

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nidiari Fi posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category