Fiofanana Harivola

Fiofanana Harivola Fiofanana nasionaly amin'ny fampiasana, fitantanana,ary fampitomboana vola ho an'ny rehetra

⚠️ Mankahery ny mpandraharaha rehetra amin'ny fotoan-tsarotra toy izao.Aza milavo lefona Tompoko raha sendra voaroba, ny...
04/10/2025

⚠️ Mankahery ny mpandraharaha rehetra amin'ny fotoan-tsarotra toy izao.
Aza milavo lefona Tompoko raha sendra voaroba, ny fandraharahana dia ady anaty ringa isanandro, misy fotoana mandray "coup" dia mianatra, misy fotoana antsika ny fandresena ⚠️

Ireto misy lesona vitsy hifampizarana :

1️⃣ Aza mikoropaka, manaova "exercice de respiration" raha sendra sahirantsaina loatra. Ity misy sopapa : 4-4-4-4
💨4 segondra mitroka rivotra (Inspirer)
💨4 segondra tazonina anaty ny rivotra
💨4 segondra avoaka moramora ny rivotra
💨4 segondra tazonina tsy misy rivotra ny tratra.
Averina mandritra ny fotoana fohy io mandrampahazo aina.

2️⃣Tsy fotoanan'ny fandaniana be aloha izao, araho tsara ny vola mivoaka. Na tsy mahazatra aza dia raisina amin'ny taratasy izay vola mivoaka ka asiana "bydget" kely hamerana izany. Ohatra : Sakafo tsy mihoatra ny 10.000 Ar isanandro aloha mandram-pisokatry ny tsena

3️⃣ Jereo ny laharampahamehana (Priorités) amin'ny famerenana ny asa fitadiavana. Izao no fanao :
💡Inona no maika
💡Inona no misy fiantraikany haingana amin'ny fidiram-bola
💡Inona no asa tsy dia mila ezaka loatra kanefa misy vokatra

Mirary ny soa indrindra Tompoko 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

[Fiofanana Harivola - Campus Sésame🔥 ]Tanora maro bé no liana ny amin'izany hoe fianarana mitantam-bola izany. Hafaliana...
21/09/2024

[Fiofanana Harivola - Campus Sésame🔥 ]
Tanora maro bé no liana ny amin'izany hoe fianarana mitantam-bola izany. Hafaliana ho an'ny Fiofanana Harivola arak'izany no mitondra ny anjara birikiny ho an'ireto tanora hoavin'ny firenena ireto.

👉Lalao nampanaovina azy ireo dia ny hoe raha manana 20 000Ar dia ahoana no andanianareo azy ? 🤔

👉Ary raha nareo no hanontaniana ⁉️

👉Fiofanana Harivola tao Ambatolampy 🔥👈Navitrika Dia navitrika ry zareo avy ao Ambatolampy nanatrika izany Fiofanana Hari...
17/09/2024

👉Fiofanana Harivola tao Ambatolampy 🔥👈

Navitrika Dia navitrika ry zareo avy ao Ambatolampy nanatrika izany Fiofanana Harivola izany.

Ankasitrahana isika rehetra Tonga Dia indrindra ny mpampiofana nitondra ny anjara birikiny 🙏✨

Mitohy ny fiofanana amin'ny alalan'ny fifampizarana 🔥🔥🔥Inty ny rohy ahafahanao miditra ny vondrona (Groupe facebook) htt...
17/09/2024

Mitohy ny fiofanana amin'ny alalan'ny fifampizarana 🔥🔥🔥

Inty ny rohy ahafahanao miditra ny vondrona (Groupe facebook)

https://web.facebook.com/groups/harivola
[ISIKA TSY MAINTSY MANDROSO 😁]

📅‼️ 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎𝐋𝐀- 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐋𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐈𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐊𝐀𝐑𝐎📅‼️Aza adino ny fotoanantsika rahampitso 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀 𝟏𝟕 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟒 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'...
16/09/2024

📅‼️ 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎𝐋𝐀- 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐋𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐈𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐊𝐀𝐑𝐎📅‼️
Aza adino ny fotoanantsika rahampitso 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀 𝟏𝟕 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟒 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐒𝐚𝐥𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐠𝐞- 𝐀𝐥𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐫𝐨

👉Inona avy moa izany no hita mandritran'io fotoana io?
🔷Hianatra ny atao hoe "𝐄𝐝𝐮𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞̀𝐫𝐞": fanabeazana ara-bola natao ho an'ny olona tsirairay ahafahana manapakevitra ara-bola.
🔷Hianatra ihany koa ny "𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞̀𝐫𝐞" : Fitantanana ara-bola ho an'ny orinasa entina manapakevitra ara-bola sy fahitana alavitra mikasika ny asa.
🔷 Hiresaka ireo tolotra 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚 izay atolotry ny fiofanana harivola

--------------------------------------------------
❌TSY MISY TICKET, TSY MISY VIDIM-PIDIRANA❌
👉Raha mila fanazavana fanampiny, mandefasa hafatra miafina

👉Fantatrao vé fa afaka misitraka ny Fiofanana Harivola avokoa na olon-tsotra, na fikambanana na Orinasa ? Ary amin'ny se...
13/09/2024

👉Fantatrao vé fa afaka misitraka ny Fiofanana Harivola avokoa na olon-tsotra, na fikambanana na Orinasa ? Ary amin'ny sehatra rehetra izany.

Ankasitrahana ireo dokoteram-biby avy ao amin'ny ONDVM na ny Ordre National des Docteurs Vétérinaires de Madagascar nanatrika sy nanaraka ny fiofanana Harivola 🙏🩺

Mirary fahombiazana hatrany ...

09/09/2024

🔥❗️ Herinandro vaovao- Tanjona vaovao🔥❗️
Manana tanjona tiana ho tratrarina ve ianao? fotoanany izao, tanteraho mialohan'ny iafaran'izao taona izao.

👉Fa mialohan'izany, aza adino ny 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 ny vola eo am-pelatanana. Izany indrindra no hizaranay aminao ireto valim-panontaniana izay napetraka taminay ireto :

Lohahevitra 1: 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐧𝐢𝐦-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚

🔸 Inona no atao hoe tetiandro mifanaraka amin'ny vanim-potoana ary nahoana no zava-dehibe amin'ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano?

🔸Ahoana no ahafahan'ny tetiandro mifanaraka amin'ny vanim-potoana manampy hisoroka ny tsy fahampiana ara-bola mandritra ny fotoana misy fidiram-bola kely?

🔸 Inona ireo singa fototra tokony hoheverina rehefa mandrafitra tetiandro mifanaraka amin'ny vanim-potoana?

Araho tsy tapaka fa ho alefanay misesy eto ireo fanontaniana rehetra.🔥

‼️ 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐇𝐈𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐉𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐃𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 ‼️Maro ireo fiofanana miandry antsika amin'ny herinandro ko...
05/09/2024

‼️ 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐇𝐈𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐉𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐃𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 ‼️
Maro ireo fiofanana miandry antsika amin'ny herinandro koa aza tara ary !

Manana safidy maromaro ianareo, ireto avy izy ireo :

📍 Ao amin'ny Salle de mariage Commune Mahajanga ny 𝐀𝐥𝐚𝐫𝐨𝐛𝐢𝐚 𝟏𝟏 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟒 manomboka amin'ny 03 ora tolankandro.

📍 Ao amin'ny EPP Antsanitia 𝐧𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐤𝐚𝐦𝐢𝐬𝐲 𝟏𝟐 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟒 manomboka amin'ny 02 ora sasany tolankandro.

📍 Ary ny 𝐀𝐬𝐚𝐛𝐨𝐭𝐬𝐲 𝟏𝟒 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟒 :
- Ao amin'ny Croix rouge manomboka amin'ny 08 ora maraina
- Na ao amin'ny Ziona vaovao manomboka amin'ny 03 ora tolankandro

Marobe ireo dia anao ny safidy ary lazao ireo havana sy namana.
--------------------------------------------------
❌TSY MISY TICKET, TSY MISY VIDIM-PIDIRANA❌
👉Raha mila fanazavana fanampiny, mandefasa hafatra miafina

Salama daholo ô!Mitohy hatrany ny fiofanana harivola amin'izao fotoana.👉Ireo Fiofanana iarahana amin'ny Harivola mandrit...
28/08/2024

Salama daholo ô!
Mitohy hatrany ny fiofanana harivola amin'izao fotoana.

👉Ireo Fiofanana iarahana amin'ny Harivola mandritra ity herinandro ity :
🔵 Ankadikely
🔵 Behenjy
🔵 Ilafy

‼️ Araho tsy tapaka ny pejy anarahanao ny fiofanana manaraka ‼️

Ankasitrahana feno ireo Tonga nanatrika dia mirary fahombiazana tompoko 🙏

Ankasitrahana ihany koa ireo mpampiofana nizara 🙏

26/08/2024

‼️ Andeha tsy ho ela amin'ny fahitalavitra TELEVIZIONA MALAGASY TVM📺‼️
Voaray avokoa 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚𝐫𝐞𝐨 na teto amin'ny pejy na tany anaty hafatra miafina na mandritran'ny fiofanana.

👉Nosokajiana ho lohahevitra 9 izany :

🟠Tetiandro mifanaraka amin'ny vanim-potoana
🟠Mametraka tanjona ara-bola
🟠 Manao teti-boola sy mahatakatra ny karazana fandaniana
🟠 Aiza no mitahiry ?
🟠 Mitahiry ho an'ny tsy ampoizina
🟠 Mamolavola rafitra tahiry
🟠 Fotokevitry ny findramam-bola
🟠 Ny volako sy ny volan'ny hafa
🟠 Mampitaha ny tolotra ara-bola

🔥Araho tsy tapaka ary ny fandaharantsika ao amin'ny TELEVIZIONA MALAGASY TVM hamantaranao ireo valim-panontaniana izay hanampy hanao ahay hitantam-bola.🔥

‼️Ho lazaina eto ihany ny ora sy fotoana‼️

‼️ Hivoaka tsy ho ela eny amin'ny fahitalavitra ...📺Hanokana fotoana hamaliana ireo izay mety ho fanontaniantsika ireo m...
20/08/2024

‼️ Hivoaka tsy ho ela eny amin'ny fahitalavitra ...📺
Hanokana fotoana hamaliana ireo izay mety ho fanontaniantsika ireo mpampiofan'ny Fiofanana Harivola.

Ambarao eto amin'ny "𝐂𝐨𝐦𝐦𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬" ary ireo fanontaniana momban'ny fitantanam-bola izay mety mahaliana anao.
👉Na Olon-tsotra
👉Na Orinasa

-------------------------------------
*Fiofanana Harivola : Fiofanana nasionaly amin'ny fampiasana, fitantanana,ary fampitomboana vola ho an'ny rehetra.

👉Ireo Fiofanana niarahana tamin'ny Harivola ny herinandro lasa teo :🔵 Ambohidratrimo 🔵 Ankazondandy 🔵 Ambohitrarahaba ‼️...
19/08/2024

👉Ireo Fiofanana niarahana tamin'ny Harivola ny herinandro lasa teo :
🔵 Ambohidratrimo
🔵 Ankazondandy
🔵 Ambohitrarahaba

‼️ Araho tsy tapaka ny pejy anarahanao ny fiofanana manaraka ‼️
Ankasitrahana feno ireo Tonga nanatrika dia mirary fahombiazana tompoko 🙏

Address

LOT IVN 68A Ankaditapaka
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:30
Tuesday 08:30 - 16:30
Wednesday 08:30 - 16:30
Thursday 08:30 - 16:30
Friday 08:30 - 16:30

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiofanana Harivola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Fiofanana Harivola:

Share

Category