21/08/2026
Namelon-janaka irery Randrianarison Rojoniaina. Kamboty ankehitriny ireo zanany 3 mianadahy. Mbola kely ny farany.
Renim-pianakaviana miady amin'ny fiainana izy no maty notifirin'ny jiolahy omaly hariva teo amin'ny fiatoana fiandrasana fiara fitateram-bahoaka, eo amin'ny FJKM Andavamamba. Hody eny Ampasika, tahaka ny fanaony isaky ny mirava miasa isanandro.
Efa manodidina ny 20 taona naha mpikirakira milina ao amin'ny orinasa afak'aba iray eny Tanjombato izy.
Teo am-piandrasana taksibe no norombahin'ireo jiolahy roa, manao akanjo ambony ana mpitandro filaminana sy samy mitondra basy, ny poketrany.
Namaly izy. Farany, nitifitra ireo olon-dratsy. Voa teo amin'ny kibony izy. Tsy tana ny ainy. Vehivavy iray hafa, mpanao « cash point », sendra nandalo, no voan'ny bala teo amin'ny kibony ihany koa, mbola tsaboina.
Tsy nisy na inona na inona lasan'ireo jiolahy teny amin-dRandrianarison Rojoniaina.
Skispass Atm