M’zara tenisoa

M’zara tenisoa �Verset biblique �

01/01/2023

Tahin’ny Tompo ❤️

mofon'aina 25/11/22I Tesaloniana 5 : 1-111. Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosorata...
25/11/2022

mofon'aina 25/11/22

I Tesaloniana 5 : 1-11
1. Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2. satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
3. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
6. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena.
7. Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
8. Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika,
10. Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11. Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
amen🙏

Marka 13 : 28-3728. Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantat...
21/11/2022

Marka 13 : 28-37
28. Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.
30. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
31. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
32. Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
33. Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.
34. Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
35. Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
36. fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
37. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena.

amen 🙏

MOFON'AINA 27 octobre 2022Matio 5 : 21-2621. Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eksodosy 20:1...
27/10/2022

MOFON'AINA 27 octobre 2022
Matio 5 : 21-26
21. Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eksodosy 20:13) ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
22. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Grika: Gehena]
23. Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
24. dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25. Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
26. Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

mofon'aina 25 oktobra 2022Josoa 24 : 14-2414. Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana...
25/10/2022

mofon'aina 25 oktobra 2022
Josoa 24 : 14-24
14. Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah.
15. Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
16. Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
17. Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18. Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19. Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20. Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
21. Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
22. Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
23. Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
24. Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay.
amen

Mofon'aina 13 octobre 2022II Korintiana 4 : 1-61. Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny ...
13/10/2022

Mofon'aina 13 octobre 2022
II Korintiana 4 : 1-6
1. Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
2. Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
3. Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
4. izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
5. Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesoa Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesoa.
6. Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesoa Kristy.
AMEN

Mofon'aina 11 octobre 2022Deoteronomia 13 : 7-127. Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny...
11/10/2022

Mofon'aina 11 octobre 2022
Deoteronomia 13 : 7-12
7. Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
8. dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra),
9. dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
10. fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.
11. Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
12. Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
amen 🙏

Mofon’ aina 6 octobre 2022II Korintiana 5 : 11-2111. Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny ...
06/10/2022

Mofon’ aina 6 octobre 2022

II Korintiana 5 : 11-21
11. Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa.
12. Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho* ihany, fa tsy amin'ny fo.
13. Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14. Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
15. ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16. Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
17. Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
18. Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19. dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20. Koa dia iraka* solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.
21. Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.
Amen 🙏

HAVAOZY NY FANOMPOAN'NY FIANGONANAAsan'ny Apostoly 6 : 1-71. Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpi...
03/10/2022

HAVAOZY NY FANOMPOAN'NY FIANGONANA
Asan'ny Apostoly 6 : 1-7
1. Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2. Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3. Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4. Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
5. Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6. ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7. Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
AMEN 🙏

MOFON' AINA 30 SEPTEMBRE 2022Isaia 40 : 1-111. Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo; 2. Mitoria teny soa ...
30/09/2022

MOFON' AINA 30 SEPTEMBRE 2022
Isaia 40 : 1-11
1. Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2. Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tanan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony.
3. Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an'efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
4. Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5. Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
6. Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
7. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
8. Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9. Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly o, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly o, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
10. Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
11. Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
AMEN 🙏

MOFON'AINA 29 SEPTEMBRE 2022Asan'ny Apostoly 24 : 10-2310. Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly k...
29/09/2022

MOFON'AINA 29 SEPTEMBRE 2022
Asan'ny Apostoly 24 : 10-23
10. Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
11. fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12. Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
13. ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14. Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany,
15. ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.
16. Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
17. Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
18. Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
19. - tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
20. Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,
21. afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22. Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana* izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
23. Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
AMEN 🙏

MOFON'AINA 27 SEPTEMBRE 2022II Timoty 2 : 8-138. Tsarovy Jesoa Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'...
27/09/2022

MOFON'AINA 27 SEPTEMBRE 2022
II Timoty 2 : 8-13
8. Tsarovy Jesoa Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,
9. izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesoa. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
11. Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12. raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
13. fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
AMEN 🙏

Address

Antananarivo
Antananarivo
101

Telephone

+261343650241

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when M’zara tenisoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category