Zanany

Zanany Mivavaka - Mianatra - Miasa - Mialavoly

RABEFIALONANA Olona maloto fo, eritreritra sy ratsy sainaOlona miaina ny aizin-kitroka ny faharatsianaOlona ratsy fanahy...
19/12/2024

RABEFIALONANA

Olona maloto fo, eritreritra sy ratsy saina
Olona miaina ny aizin-kitroka ny faharatsiana
Olona ratsy fanahy ary koa tsy mahay miaina
Olona tsy ho avotra mihitsy na oviana na oviana

Izy ilay mpanao gazety ny fiainanao isanandro
Izy ilay mpanaramaso ny fihetsikao rehetra
Izy ilay tsy faly aminao na maraina na atoandro
Izy ilay mpitari-bato vilam-bava sy tia setrasetra

Izy ilay tsy faly rehefa ianao no mahomby
Izy ilay tsy faly rehefa ianao no mivoaka mpandresy
Izy ilay tsy faly tia mifosafosa, maneso sy midongy
Dia midongy ho tsara noho ianao, ary tena fetsy

Dia i Rabefialonana izany, na ilay mahay vava
Mamaky ady tsy ary akory nisy ratsy nifanaovana
Dia i Rabefialonana izany, na ilay tia mandrava
Ny fiainanao ary ny vavany ny azy no fitaovana

Maniry anao ho lavo hidaraboka amin'ny tany
Dia maniry anao ho potraka hiaina mangidy
Maniry anao ho kivy sy ho ketraka higoka tomany
Dia maniry anao ho tery lalan-dava tsy hiaina safidy

Mody mihatsaravelatsihy fotsiny ilay miarahaba
Mody mitsiky fotsiny ilay manontany vaovao
Fa ny manozona anao ho lavo, tsy afaka ao ambava
Izany no iainany isan'andro rehefa tsisy atao

, 19.12.24,
NB: Sary hindrana

Vao nanomboka nihila ny teto ❤️❤️😍TSY VAZIVAZYManahoana Manjakely, toa maika maika ianao ‘zany?Eo moa mba andraso azafad...
06/12/2024

Vao nanomboka nihila ny teto ❤️❤️😍

TSY VAZIVAZY

Manahoana Manjakely, toa maika maika ianao ‘zany?
Eo moa mba andraso azafady fa lalana iray ihany iny
Dia aza mandeha mafy re, fa ny lalako koa mankany
Sa...ndry ve tsy matahotra? Sa intsony efa tsy vahiny?

Elaela ihany mantsy ‘zay no nahitako anao nandeha irery
Tamin’ity lalana mangingina ity nefa toa tsisy namana
Fa tamin’ity androany ity aho, vao sahy nefa tsisy nanery
Fa te ho lasa namanao tsotr’izao, dia io fa tsy tambana

Niriaria tamin’ity lalana ity, tsy maraina tsy ariva
Fa te hihaino izato feonao malefaka dia malefaka
Rehefa iny ianao mandalo dia indro toa feon'antsiva
Henon’ny sofiko toa dian-tanana mamela tehaka

Dia iny aho tsy rototra manaraka anao moramora
Ianao ankavian-dalana dia izaho ankavan-dalana
Fa tsy maninona izany, sady izay koa ny mahatanora
Fa etoana isika vao nifanojo sy tafiara-dalana

Ka tsy aiko?? Sa nifanojo ny tia sy ny manina
Fa midobodoboka ny foko te hamboraka fitia
Kay ianao efa tonga dia aleo ny tsorina ny marina
Zanany ny anarako, tiako ianao, tsy vazivazy sanatria

05.12.24

TOKAM-PO ❤️Malala a! Tsy kobaka ambava ilay nolazainaRehefa indro aho nivoady teo anatrehanaoDia tsy tafasiry na koa ang...
04/12/2024

TOKAM-PO ❤️

Malala a! Tsy kobaka ambava ilay nolazaina
Rehefa indro aho nivoady teo anatrehanao
Dia tsy tafasiry na koa angano notantaraina
Fa porofo mivaingana, dia ny foko ho anao

Tena tia tokoa fa tsy hoe tia ambava fotsiny
Dia mizara izay mahasoa, hiarahana misitraka
Tena tia tokoa ary ianao irery ihany ny tompony
Dia ny foko izany ka matokia fa fitia tsisy fitaka

Eny, ekeko hoe :"tsisy olombelona tonga lafatra"
Fa hatreto aloa aho dia sahy milaza fa akaikaiky
Ary inoako sy tsapako fa ianao koa mahafantatra
Fa ny foko dia tokana ho anao ary eto aho miaiky

Zanany 271124

NY KAMBOTYZara raha misy akanjo manarona ny vatanyEny ! na misy aza zara raha lamba rovidrovitraZara raha misy sakafo ho...
30/11/2024

NY KAMBOTY

Zara raha misy akanjo manarona ny vatany
Eny ! na misy aza zara raha lamba rovidrovitra
Zara raha misy sakafo hoanina indray arapany
Dia miharitra hatsiaka sy miaina mangovitra

Ireo kamboty, mampalahelo sy mampahonena
Tsisy hianteherana afa-tsy ilay Ray ao ambony
Ireo kamboty miaina jaly ao anaty fanetre-tena
Sesi-damba no atao kidoro, asisika amin'ny gony

Zara raha misy hialofana fa lanitra ny azy ny tafo
Mitsimoka no hany asany tsy maraina tsy atoandro
Ny sombin-kanina sisa tsy lany ny azy ny sakafo
Na hariva na alina dia toy izany foana isan'andro

Faniriany fatratra ny hiankanjo madio sy tsaratsara
Toy iny lambanao mahafinaritra sy mahateho-tia iny
Dia te hiezaka izy ireo nefa indrisy tsisy mpikarakara
Ka aza haratsiana sy hambaninana ary homenan-tsiny

Fa tsy fidiny ho azy ny kamboty tsisy mpiahy ety
Tsisy Dada sy Neny toa ny anao mbola velona io
Ny mialonalona sy manositosika dia ataovy sanatria
Fa raha misy foinao ho azy dia omeo ary koa ampio

--30.11.24

Asiana j'aime ny page 👍
14/11/2024

Asiana j'aime ny page 👍

💪💪😘Hanohana anao amin'ny dona izay hitrangaDia tsy hamela anao ho irery hiaina bangaHo tsisy hiantsipazana raha sendra r...
29/08/2024

💪💪😘

Hanohana anao amin'ny dona izay hitranga
Dia tsy hamela anao ho irery hiaina banga
Ho tsisy hiantsipazana raha sendra reraka
Dia hampitraka raha sendra ketraka

NENY 😘😘🙏🙏Neny,Ianao ilay tsy sasatra ny nanefy toe-tsaina tsaraMba hahatongavana amin'ny tanjona irinaIanao ilay tsy sas...
01/04/2023

NENY 😘😘🙏🙏

Neny,
Ianao ilay tsy sasatra ny nanefy toe-tsaina tsara
Mba hahatongavana amin'ny tanjona irina
Ianao ilay tsy sasatra nanatra ary koa nanambara
Ka nahafahana nametraka ny vina

Neny
Ianao, ilay tsy sasatra nikolokolo,
Rah lazaiko amin'ny fomba hafa dia...
Ianao ilay fara-tampony, tsy misy mahasolo

Neny,
Ianao ilay niaritra ny mafy, niaina tao anatin'ny tomany
Niaina tao anatin'ny tsy fisiana, nandalo fangirifiriana
Voagejan'ny alahelo nefa...
miarina ihany
Ianao koa anefa ilay tsy nety kivy, niezaka nitsiky nizara hafaliana

Zanany Tokôtry...24 Mars 2023

NISY FOTSINY AHO...Tsy ho terena ianao rehefa tsy tamàna  fa...Hadinoy hatreo ny amiko dia mandehanaMandehana dia tsara ...
31/03/2023

NISY FOTSINY AHO...

Tsy ho terena ianao rehefa tsy tamàna fa...
Hadinoy hatreo ny amiko dia mandehana
Mandehana dia tsara tso-drano
Ho tojo izay tiana, maharena tokan-trano

Tsy ho terena ianao rehefa tsy tia
Tsy ho terena koa ianao no hiara-dalana amiko
Fa mandehana dia soava dia
Dia aza manahy fa matokia

Fa izaho dia...
Natao ho nisy fotsiny mba hamaritra tantara
Tsy voasoritra ho anjara fa...
Nisy fotsiny aho mba hamelombelona
Ilay fitiavana ao am-ponao tsy ho levona

Zanany Tokôtry - 31 Mars 2023

Address

Ankadiandriana/Ifarihy
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Zanany:

Share

Category