Arendrina Kanto

Arendrina Kanto Arendrina malagasy voakanto no tsara

Rehefa miresaka ny alin'ny 25 jona isika...Tsy hazavana fotsiny no tadidintsika.🏮Fa ireo fotoana niarahana tamin'ny fian...
08/06/2026

Rehefa miresaka ny alin'ny 25 jona isika...

Tsy hazavana fotsiny no tadidintsika.
🏮Fa ireo fotoana niarahana tamin'ny fianakaviana.
🏮Ireo arabe feno olona sy hafaliana.
🏮Ireo ankizy nitondra arendrina tamim-pireharehana.
🏮Ny afomanga

Ao amin'ny Arendrina Kanto, tianay haverina ho velona indray izany fahatsiarovana izany.
Ary satria samy manana ny tantarany ny tsirairay, dia afaka manafatra arendrina manokana ianao :
✨ misy sary
✨ misy logo
✨ misy hafatra manokana

Mety ho an'ny fianakaviana, sekoly, fikambanana ary orinasa.
Satria ny 25 jona dia fotoana ankalazana miaraka.

📩 Afaka miditra Mp ianao raha hanao commande na mila fanazavana fanampiny 😊
Afaka tonga dia miantso ny 038 78 586 56 ihany koa.

Arendrina Kanto — manazava ny alina, mitahiry ny fahatsiarovana. 🏮

Mbola tadidinao ve ilay fotoana niandrasana fatratra ny 25 jona alina ? 🇲🇬🏮Ilay hariva feno hazavana sy hafaliana...Ilay...
06/06/2026

Mbola tadidinao ve ilay fotoana niandrasana fatratra ny 25 jona alina ? 🇲🇬🏮

Ilay hariva feno hazavana sy hafaliana...

Ilay fandehanana teny an-dalambe niaraka tamin'ny arendrina teny an-tanana...

Ilay fiarahana tamin'ny namana sy ny fianakaviana...

Ilay fahatsapana hoe fety tokoa ny andro.

Ao amin'ny Arendrina Kanto, tianay haverina indray izany fahatsiarovana mamy izany.

Satria ny arendrina dia tsy haingon-trano fotsiny, fa ampahany amin'ny fahazazantsika sy ny kolontsaintsika.

Araho ny pejy fa ho avy tsy ho ela ireo arendrina hanazava ny alin'ny fetim-pirenena. ✨

Ary ianao, inona no fahatsiarovana mamy indrindra tamin'ny 26 jona tamin'ny fahazazanao ?

Address

Ankadikely
Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Arendrina Kanto posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category