28/07/2026
๐จRaharaha mafana ao Ambohimahasoa
raharaha Safidy : atao fanadihadiana ilay polisy nitifitra, hitory eny aminโny Fitsarana ny fianakaviana
Taorianโny fahafatesanโi Safidy vokatry ny tifitra nataonโny pรดlisy tao Ambohimahasoa, izay voarohirohy ho mpamaky trano, dia nambaranโny tomponโandraikitry ny Filaminam-bahoaka fa hisy fanadihadiana hatao momba ilay polisy voatonona.
Nandritra ny fihaonana taminโny mponina sy ny fianakaviana, nanambara ny tomponandraikitra fa tsy hiasa ao Ambohimahasoa intsony io polisy io, ary ny lalร na no handray ny raharaha.
Etsy ankilany, mitaky ny rariny ny fianakavianโi Safidy. Araka ny fanazavanโizy ireo, tsy olon-dratsy ilay tovolahy ary manana ny antony niakarany tao aminโilay trano izy taminโio fotoana io, izay fonenan'ny sakaizany ihany. Tsy nitondra fitaovam-piadiana araka ny vaovao nivoaka ihany koa i Safidy.
Nanambara ny fianakaviana fa hampiakatra ny raharaha eny anivonโny Fitsarana izy ireo.
Nidina an-dalambe naneho ny hatezerany ireo mponina taorianโity tranga ity omaly, saingy niverina nilamina ny toe-draharaha rehefa amin'izao fotoana izao.