05/03/2026
Manimba loatra ny fitiavana
Kopy amin'izany ny soldat hoe tsy mora lavo raha ny tenako
Fa nahatoky aho hoe tamin'iny mba ho hafa ny rehetra
Saingy namatotra sy namitaka ahy ny fahatsapako sy ny teniko
Ndao indray,
Mila firy taona vao hitony ny korontana anatiko ?
Tsy afeniko,
Notiaviko loatra rangaha ianao a
Ary ny fahalasanao hatramin'ny androany mbola ratra baben'ny peniko
Kanto loatra ny anjan'ny fahatsoranao sy ny tariny...
Tsy mino aho hoe indray andro handà an'ilay hoe "fafao mihitsy izay mombanareo sy ny sariny"
Nahababo loatra ny foko efa vato mantsy ny fandalovanao na dia fohy
Tsy mino ny saiko e, hoe androany ny antsika teboka tsy misy midina an-dalana mampitohy
(...)
Dia soavà, misambarà faratampony lesy malala,
Nankafy ny fotoana rehetra teo anilanao aho saingy ny fiatombohana misy fiarafarana
Tsy anjarako intsony aloha ny hiantso anao "Malala"
Ndehana, tsara tso-drano e
Amin'ny fiainana manaraka angamba vao afaka ho fenointsika ny akany
Satria ny fiatombohana koa efa hay, misy fihafarany,
Volana vitsivitsy ihany ny antsika no fetra
Tsy nahay nandanjalanja ny tolotra nomeko aho angamba
Eny, efa hainao hoe anaty fanomezana fitiavana koa aho somary misetrasetra
Dia ndao,
Soavà, sambarà malala a
-🌻in "Mamela anao hisambatra"