Tsiory mpankafia

Tsiory mpankafia Mpianatry ny ankehitriny
Voafehin'ny hoavy ankamantatra
Ny Voary Nofy NY VOARY NOFY

Miaina eo anivon'ny misy
Mikimpy mitady ny tsy hita

Maninoa hoa'ho raha atao vakansy foana e!πŸ˜πŸ˜‚na mianatra aza dia mianatra sady manao vakansy!,πŸ˜πŸ˜ƒ
11/01/2023

Maninoa hoa'ho raha atao vakansy foana e!πŸ˜πŸ˜‚na mianatra aza dia mianatra sady manao vakansy!,πŸ˜πŸ˜ƒ

Oviana indray zany vao misy vacances eh πŸ₯Ί
Sinon code promo taptap aza adino an : MEVAKELY (bonus de 10€ au premier envoi)

10/01/2023

Ho an'ilay niriako!

Nandalo teny amin'ny toerana nolalovantsika aho
Mbola nanatena iany fa hoe hahita anao
Nierehako daholo ny avia sy ny havanana
Saika tapitra ,voanintaniko daholo ireo namana
(Indrisy tsy hita ianao)

Nitetitety toerana ny masoko efa jembin'ny tsy fahitana anao
Dia nisy sary iray maneho ny mbola fisianao ,avy ao an-trano tao
Nantsoiko sao ianao fa tsy naharenesa-peo
Toy ny aloka niserana dia ...
Tsy hita intsony avy eo
(Hay olon-kafa mihitsy fa toa nisary ho ianao)

Ny saiko mihitsy angamba izao no voa
Hoy aho anakampo,(Tsy iny i Valisoa)
Nisento rehefa...
ka nandalo ilay mangazay nolalovantsika
Toa mbola te hahita
Ilay isika niampita ny arabe!
Toa te hino izany hoe ...
Tsy eto intsony ianao izao
F'efa any Ambondrombe

Ny Voary Nofy

MpanavakaRehefa ilay manana mpiara_mivavakaDia tena namanao hatramin'ny faranyFa rehefa ilay sahiraka dia indro fa havah...
22/08/2022

Mpanavaka

Rehefa ilay manana mpiara_mivavaka
Dia tena namanao hatramin'ny farany
Fa rehefa ilay sahiraka dia indro fa havahana
Toa tanisaina hatramin'ny tantaran'ny havany

Raha resaka vola sy vary,ianao tompon'izany
saingy tsy mahafoy na dia ariary
Na kely hanengenany vilany
Fa...aleona ilay sahirana ho noana sy ho faty mosary

Ny mpanana anefa etsy andaniny
Feno dia feno ny ankaniny
Raha resaka sakafo,sy harena
Dia ireny ny anao volamena..vatranao tolotolorana

Mpanavaka saranga raha ianao io
Mpivavaka masira maty f'izao tadidio
Kodirantsarery izany fiainana an_tany
Ny ombony mbola ho ambany
Dia ny ambany mbola ho ambony
Ireo sahirana ireo tsy hangataka intsony

Lakalaka ho'aho ilay fiainana e!
Sao lahy hanenina iany
Ka hitomany rehefa...(tsy misy ny hasiana sira)
Ho lany ilay fanengenam_bilany

Ny Voary Nofy ✍

Veloma...Zavatra iray mba tsy zakan'ny aikoNanimbazimba ny herin'ny saikoIlay nosotroiko tamin'iny andro iny..Lasa vaten...
22/08/2022

Veloma...

Zavatra iray mba tsy zakan'ny aiko
Nanimbazimba ny herin'ny saiko
Ilay nosotroiko tamin'iny andro iny..
Lasa vateniko hoe ny fahiny
Tsy mba ambakan'izao andro izao
Fa kanto sy lafatra izay rehetra natao

Nirediredy aho nilaza an'izany
Hoe raha azo fidiana dia ny taloha iany
Ny lasa no averina hitondra ny soa

Voaveiko teo avokoa
Ny soa tokony ho toavina rehetra
Ireo fomba sy fihetsika hatao tarigetra..

Dia iny mba vitako iany nisaina azy
F'ity 'zaho ilay nilaza hanao mariazy
Kanefa tsy vononona hitia akory

Anio aho sanina vao tsy hahita tory
Fa lasa vinany amin'ilay toaka ndoza
Ilay tsaky foza niampy kitoza

Kanefa izany tsy dia olana f'ity indray no tena raraha
Izaho ilay nandona ny veran'i Vazaha
Dia iny aho fa sahy mba nanangana sandry

Tahak'izay aho tsy nisotro raha nampoiziko tsy hatafandry mandry..fa Kay koa moa izaho ity nangalatra fary
NanalΓ na makafoka fa tsy nahinana vary

Toaka tsy vanona kely mampirediredy
Tsy mahazo ahy intsony ianao fa 'zaho efa matahotra bedy
Tsy ho tia anao aho ry rano nampihoaka
Veloma ...tsy ho namako ianao ratoaka

Ny Voary Nofy ✍

TsarovyEkeko hoe misy ny fanadinoanaSaingy ireo tsiaro tsy maty vonoinaTsy voafafan'ny taona mivalonaTsara toerana sy ts...
18/08/2022

Tsarovy

Ekeko hoe misy ny fanadinoana
Saingy ireo tsiaro tsy maty vonoina
Tsy voafafan'ny taona mivalona
Tsara toerana sy tsara sarona
Mitoetra ao anaty tadidy

Midika izay fa Sarobidy
Tantaranao mendrika indrindra
Tsy mba angano io na arirarira
Fa kalokalon'ny lasa izay nisy
Nofinofin'ny efa mikimpy
Milevina anaty eritreritra

Tonga ho erikerika
Manamando ny saina mitoetra
Dia tsy manadino fa aina no fetra
Tsarovy ny adino hiverina indray
Tsaro ho tadidy ao mandrakizay

(Rediredy)πŸ˜‚πŸ˜‚πŸ˜‚

NY Voary Nofy ✍

Tsy maninonaEny e!Izaho foana mazΓ na no disoMifona ho mihaiky ny helokaIzaho foana no manao ny indroAmin'ny ngidin'ny ts...
18/08/2022

Tsy maninona

Eny e!
Izaho foana mazΓ na no diso
Mifona ho mihaiky ny heloka
Izaho foana no manao ny indro
Amin'ny ngidin'ny tsy azoko veroka

Satria izaho irery no tia
dia tsy maintsy miaiky ho resy
F'ianao izay tiako malia
ka mamingana anaty hevi_petsy??

Tsy maninona akia ry mpanjaka
Fa io izay tianao iany
Araraoty fa anao izao ny laka
Dia mahaiza koa mampiomehy e!

Fitao aho fa tsy maninona
Verezo fa babo sy tia
Saingy ...izao aho midongy ho fihinina
Manantena ilay hifangia
Mandrakizay Doria

πŸ˜‚Ny Voary Nofy ✍

09/08/2022

Ankamantatra ny anio ilay ampitso mbola tsy hay
Fa raha izay lasa izay..!???

09/08/2022

Moa mba fantatrao

Tsy ilay izaho taloha intsony ity
Tamin'ireny aho tena tia
Dia mora nararaotina

Anio kosa efa nahavita nanadino
Efa tonga tsy mino ...ny lasantsika ho nisy
Efa nahay namafa ny tasy sy ratra
Efa koa nanary ireo alahelo diso fatra

Ka aza intsony ianao miverina
Sao mbola hitondra jaly sy sento mankarary
Isika mantsy tsy rano sy vary fa saka sy kary..mety hifanimba indray raha mbola hifanerasera

Aleoko lazaina dieny izao
Sao mbola hoavy ianao
Dia ho gaga raha tsy ho raisiko
Mijanona any dia hisambaro akia ilay rafiko a!

Ny Voary Nofy ✍

09/08/2022

.MATETIKA..
Matetika tsy tsapa ny tena vesa-danjan'ny fotoana nolalovana.
Raha tsy efa fahatsiarovana no sisa mba hananana,
Matetika ihany koa rehefa tsy eo an-tanana ny zavatra iray.
Dia fantatra amin'izay fa tena sarobidy
Matetika ny namana efa lasana nandao
no sendra hitanao any anaty sary,
Dia mampararirary ny saina velon-tsento.
tsapanao ny lanjany fony izy mbola teto
Matetika tsy fantatrao ny hevitra fonosin'ny zavatra mandalo.
raha tsy efa tazanao any anaty tononkalo....ZARA AINGA

πŸ‘πŸ‘πŸ‘ŠπŸ‘Š
09/08/2022

πŸ‘πŸ‘πŸ‘ŠπŸ‘Š

Ze misy anao tiko jerena

Iazakazaka any ah otrn hanao EPS πŸƒπŸƒ

Address

Madagasikara
Antananarivo

Telephone

+261340904290

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsiory mpankafia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category