13/07/2026
🚸 💔 Ny fampanambadiana ANKIZY dia manapaka ny nofinofin'izy ireo. Tsy maintsy atsahatra izany.
Anio, ny Vondrona M'Iray dia nandray anjara tamin'ny lanonam-panokafana ny Tetikasa FANASOA, nokarakarain'ny Madagascar Coalition for Child Rights - MCCR (MCCR), ho fanamafisana ny fanentanana hiadiana amin'ny fampanambadiana ANKIZY sy hiarovana ny . Ny ady amin'ny fampanambadiana ankizy dia anisan'ny laharam-pahamehana amin'ireo hetsika fiarovana ny zaza eto Madagasikara.
👧🏽Ny ankizy rehetra dia manan-jo hianatra, hilalao, hanonofy ary hanorina ny hoaviny. Aoka tsy hisy hoesorina amin'izany zo fototra izany.
🤝Ny fiarovana ny ankizy dia andraikitsika rehetra. Isika tsirairay dia afaka mitondra fiovana.
💬Araka ny hevitrao, inona no azontsika atao mba hisorohana ny fampanambadiana ANKIZY? Zarao aminay ao amin'ny fanehoan-kevitrabny hevitrao.
📲Raha mino ianao fa mendrika hoavy mamirapiratra ny ankizy rehetra, dia zarao ity hafatra ity. Ny fizaranao dia mety hanova ny fiainan'ny ankizy iray. ❤️