Ny Poezian'i Tsiky Ny Maraina

Ny Poezian'i Tsiky Ny Maraina ✍️ Poèmes & citations sur mesure,
Pour vos cœurs et vos rêves qui murmurent 🌸
En français et Malgache, chaque mot vous rassure 💛

NY POETYNy Poety dia be mpahalalaNy Poety, lazaina fa adala!Lazaina fa mpandrebireby,Mpamorona! Mpirediredy.Nefa..Ny zav...
06/06/2026

NY POETY

Ny Poety dia be mpahalala
Ny Poety, lazaina fa adala!
Lazaina fa mpandrebireby,
Mpamorona! Mpirediredy.

Nefa..
Ny zava-bitan'izy ireny ?
Zava-kanto izay vita amin'ny teny,
Mifono anatra sy mampiala voly,
Mampitraka raha sendra ka ory!

Ny Poety, ny Poety Malagasy
Dia manana ny maha izy azy
Manandratra ny tenim-pireneny
Izay lovasoa sy hareny!

Ny Poeta hoy ianao? Mpanonofy.
Nefa koa mandrotsirotsy!
Mitaiza sy manolokolo
Mampifaly, mivetso ny tontolo.

Ka ny Poezia no amboara
Fehezam-boninkazo tena tsara,
Voarakitra sy tadidy foana.
Eny!.. Tsy ho voafafan'ny fotoana.

✍️ Tsiky Ny Maraina ✍️

Amin'izao iray volan'ny Teny Malagasy izao dia tononkalo momba ny teny, ny soratra ary ny haisoratra hatrany no entiko hozaraina eto. 🥰

Mamakia finaritra. 📖✨


🇲🇬 AZA ATAKALO 🇲🇬Ny teny Malagasy no reharehantsika sy lovantsika.Na mianatra fiteny maro aza isika, aoka tsy hohadinoin...
04/06/2026

🇲🇬 AZA ATAKALO 🇲🇬

Ny teny Malagasy no reharehantsika sy lovantsika.
Na mianatra fiteny maro aza isika, aoka tsy hohadinoina ny tenin-dRazana.

Mandritra ity Volan'ny Teny Malagasy ity, andao hiara-hitia, hiaro ary hampiasa ny teny Malagasy amin'ny fiainana andavanandro.

✍️ "Aza atakalo ny antsika fa io no tena harena."

📖 Poema : AZA ATAKALO
✍️ Tsiky Ny Maraina

🇫🇷 La langue Malgache est notre héritage et notre fierté.
Même si nous apprenons plusieurs langues, n'oublions jamais la langue de nos ancêtres.

🇬🇧 The Malagasy language is our heritage and our pride.
Even if we learn many languages, let us never forget the language of our ancestors.

Encore bonne fête maman Saholy Ni'Ayna  Dia mirary fety Sambatra ho an'ny Reny rehetra ❤️🥰
31/05/2026

Encore bonne fête maman Saholy Ni'Ayna
Dia mirary fety Sambatra ho an'ny Reny rehetra ❤️🥰

🍒RAHA...Raha reraka ny aina,Tsy hita intsony izay atao!Ny ezaka toa very maina,Dia vavaka no tontosao.Raha valaketraka n...
25/05/2026

🍒RAHA...

Raha reraka ny aina,
Tsy hita intsony izay atao!
Ny ezaka toa very maina,
Dia vavaka no tontosao.

Raha valaketraka ny saina
Fa mafy loatra ny mianjady
Tsy nisy tò izay nantenaina
Dia minoa fa mbola hifarana ny ady!

Raha mavesatra ny fo
Vonton'alahelo foana,
Tsy mety tojo zava-tsoa
Dia amafiso ny finoana.

Raha efa vizana ny aminao rehetra,
Fa tsy mahita hasambarana
Dia mitsahara manoloana ny sedra!
Avelao ny Tompo no hitari-dalana.

Mitonia, eny mitsahara!
Fa izy Tompo no hiady ho anao,
Hanampy anao sy hikarakara
Ka ny tebiteby :Avelao.

Vavaka sy finoana no amafiso
Dia aleo izy hiasa mangina!
Ny fitantanany no itokiso
Raha te hiaina fifaliana.

Ary mba hanananao fiadanam-po
Dia manombok'izao andro Pantekosta izao
Ny Fanahy Masina no avelao hitarika eo aloha!
Hanafy hery anao amin'izay atao.

✍️ Tsiky Ny Maraina✍️

❤ISAORAKO NY RAY❤Ny fiainako manontoloDia fitantanany daholoKa na ny ratsy na ny soaDia isaorako avokoaNandalo teo ny fa...
13/03/2026

❤ISAORAKO NY RAY❤

Ny fiainako manontolo
Dia fitantanany daholo
Ka na ny ratsy na ny soa
Dia isaorako avokoa

Nandalo teo ny fahagagana
Fitahiana sy hazavana
Nitondra hafaliana ho ahy
Ka isaorako ny Ray

Namely koa ny fitsapana
Olana sy fisedrana
Fa ny tanany mahery
Tsy namela ahy ho irery

Eny!Isaorako ny Ray hatrany
Na ny mangidy na ny mamy
Fa samy lalam-pamonjena
Ambaratongam-pandresena

Ka ny ampitso sy ny ho avy
Dia ankiniko aminy sahady
Ekeko izay fandaharany
Fa mahasoa ny fitantanany

Mantsy taona maro izay no nifandimby
Tao ny mamy, tao ny nangidy !
Saingy mbola mijoro foana,
Mitombo iray indray ny taona.

✍️Tsiky Ny Maraina✍️29/08/2023

🙏Ankiniko aminao🙏Ny herinandro vaovaoIzay hatrehana izaoDia tsy ananako ahiahyFa ankiniko amin'i Ray! Ny tontolo andro a...
02/03/2026

🙏Ankiniko aminao🙏

Ny herinandro vaovao
Izay hatrehana izao
Dia tsy ananako ahiahy
Fa ankiniko amin'i Ray!

Ny tontolo andro androany
Ankiniko aminao hatrany
Ry Tompo malala
Mba hirindra soa aman-tsara!

Aoka ianao no hanolo-tsaina
Amin'izay atao,izay kasaina!
Hanome fahasalamana
Hampitombo fahalalana.

Ho vatolampiko,hery fiarovako
Amin'izay lalana izorako
Hitarika ahy eo aloha!
Hanome fiadanam-po.

Eny! Ny fiainako, ny ho aviko
Sy izay rehetra mbola ho diaviko
Dia ankiniko aminao avokoa,
Fa fantatrao izay mahasoa.

Tsiky Ny Maraina, 30/10/2023

Lany tanteraka(Lafo daholo) ilay Boky  😍 Mankasitraka anareo rehetra nanjifa na ny azo sary na ny tsy azo sary, misaotra...
17/11/2024

Lany tanteraka(Lafo daholo) ilay Boky 😍 Mankasitraka anareo rehetra nanjifa na ny azo sary na ny tsy azo sary, misaotra ny Librairie Md Paoly Analakely ihany koa tamin'ny fiaraha-miasa,ary misaotra ireo nanohana, nanampy tamin'ny dokam-barotra. Mitohy hatrany ny asa fanoratana raha mbola misy ny aingam-panahy vokatry ny talenta nomen'Andriamanitra izay isaorana azy be dia be, vokatra vaovao hafa mihitsy indray àry no ho avoakako atsy ho atsy ka lazaiko eto ihany ny vaovao fa aza miala lavitra😊.

Bn continuation ❤
(Tsiky Ny Maraina)

20/07/2024

RIVOTRA🎋

Rivotra mitsoka any ho any
Any ho any ka mahalasa vinany,
Vinany sy tsiaro ny lasa!
Ny lasa izay efa voafafa.

Rivotra tsy fanta-pihaviana
Tsy fanta-pihaviana, tsy hita fisiana
Tsy hita fisiana nefa mirenireny
Mirenireny miaraka amintsika eny!

Indraindray toa rivo-doza mitondra fanahiana
Indraindray toa rivotra madio miteraka hafaliana,
Indraindray toa mamirifiry, mampijaly
Indraindray toa rivo-baovao mampifaly

Toy io rivotra io
Toy io ny fiainana an-tany
Ny fiainana an-tany izay tadidio
Tadidio fa ifandimbiasan'ny tsiky sy tomany

Tsaroako eto ilay hirifiriko omaly
Omaly tao anaty haizina sy jaly
Jaly izay tsy nantenaiko hifarana
Fa nifarana, nisolo hasambarana!

Satria efa tonga ilay maraina
Ilay maraina nantenaina
Nantenaina hisian'ny fifaliana
Fifaliana, lavitra hakiviana.

☀ Tsiky Ny Maraina 11/10/2018 in Boky: Angolan-tononkalo

Address

67 Ha
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Poezian'i Tsiky Ny Maraina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Ny Poezian'i Tsiky Ny Maraina:

Share

Category