14/07/2026
Endrey izato olony
miaina manontolony
an-tsoroka eo imorony
fa maminy ny molony
namboraka ny tonony
ity fitiavana najorony
tsirim-paka am-potony
fofòny ange ny fofony
tompony izy tompony
no babony voajojony
na nofony na volony...