12/11/2025
FANDINIKA
ITY HAVIZANANA LAVA ITY
Vizana izany foana, nefa tsy hay izay antony? Tsy havizanana ara-batana ihany koa no misy, fa ara-pihetsehampo, ara-tsaina, ara-panahy, sns.
Vao maraina dia efa vizana, nefa tsy mbola niasa akory. Ireny zava-mitambesatra amin'ny tena ireny, dia manampy trotraka izany.
IREO ZAVATRA METY MITONDRA HAVIZANANA
1. Tsy io iainanao na ataonao io no tianao. "Décalage"mitondra havizanana izay.
Ohatra 1. Mody mitsiky nefa efa te hamaly teny maharary na te hitomany.
Ohatra 2. Manaiky hanao asa iray, nefa ny vatana efa mikomy.
2. Akanjo na kiraro tery mandritra ny tontolo andro. Manelingelina mandritra ny tontolo andro izany.
3. Ireo fihetsehampo natelina ireny (fahatezerana, alahelo) dia tsy levona izany. Manavesatra anaty ireny, toy ny milanja vato mandeha.
4. Io saina miasa tsy misy fiatoana io : mahavizana haingana io. Maka rivotra toy ny vatana koa ny saina.
5. Tsy manana tanjona isanandro mankany amin'ny tanjona lehibe. Izay velombelom-poana eny dia ho sakaizan'ny havizanana.
6. Ny ara-panahy no motera ijoroan'ny saina sy ny vatana. Izay tsy ampy vavaka dia mora mikorosy vatana sy saina.
Ohatra. Tsy ampy tanjaka ara-panahy, nefa any amin'ny "salle de musculation" no aleha. Toy ny hoe nampianao lasantsy ny fiara, nefa ny menaka no lany.
Vitsivitsy ireo, nefa misy hisainana ny amin'ity havizanana manaraka antsika toy ny aloka ity.
"Dinoho izay lazaiko, fa omen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao" (2 Tim 2:7)
Andriamampianina Zaka, Mpitandrina