Ny Antsaly

Ny Antsaly Lolon-draozy mena

Ny Fasako, fasako ihany...Ny fasako, fasako ihany,fa ny foko dia fasana koa!Io no fasako ivelan'ny tany,Io no fasako ira...
18/04/2026

Ny Fasako, fasako ihany...

Ny fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray, faharoa!

Tsy mba vero na mba rangolahy,
no manafina an'io fasana io
fa ny nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.

Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
mitampody ka sarotra ialana

Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!

Ao ny tsantan'ny andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!

Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!

Ao ny nofo nikipaka mora,
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjera tsy mana-mpisolo!

Ilay fasako, fasana ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray faharoa!

J J Rabearivelo

Nafarako ihany tsy handeha mafy be,Fa ny eto ny lavaka, toa misy lalana...Ka iny tiavo raha mety amin'ise,Fa fanaka kely...
11/02/2026

Nafarako ihany tsy handeha mafy be,
Fa ny eto ny lavaka, toa misy lalana...
Ka iny tiavo raha mety amin'ise,
Fa fanaka kely mandany fananana.

Nanaiky notiaviko fotoana fohy,
Ora, minitra tsy naharitra ela...
Tena fitiavana matoa niary tory,
Nifamofo tsy satry, nifamindra sela.

Nisy sarany ihany fa mba moramora,
Tsy irony mandeha amin'ny bus kilasy
Tsisy menaka mandry fa vita ny rora,
Azo hohanina ihany na dia ratsiratsy.

Saina ny boto amin'ny ankehitriny,
Adolan'ny sento hifoka rongony...
Ny ahy hafa mihitsy ny zavatra tiany,
Tsy manolana zaza fa mividy savony.
..hanasako vilia!

FanahyAdolantsento

TIAKO IANAOInoako fa tsy izaho no manoratra eto izao,Fa ny penina efa tonta ny taona nifanesy,Tsy te-hahalala akory izay...
23/01/2026

TIAKO IANAO

Inoako fa tsy izaho no manoratra eto izao,
Fa ny penina efa tonta ny taona nifanesy,
Tsy te-hahalala akory izay malalanao...
Na hiady sy hitolona ary tsy hanaiky resy.

Tsy takelaka milalotra na loko tsara sidika,
Fa molaly fahavaratra nasolo rano mainty,
Tsy irony hampafiriny, fa iretsy te-hitsidika,
Ny efi-tranonao, misamboady vola venty.
Ny Antsaly

Na misy vidiny aza ny fotoana dia tsy mbola nahazo vola tamin'ny fahatongavana aloha...
08/12/2025

Na misy vidiny aza ny fotoana dia tsy mbola nahazo vola tamin'ny fahatongavana aloha...

Raha hanoratra fitiavana dia fitiavan'iza no ho tantaraiko...?
27/10/2025

Raha hanoratra fitiavana dia fitiavan'iza no ho tantaraiko...?

Tsy haiko e... Mangoly ny fanahy mitety vazan-tany,Mandalo rian-drano tsy hita ho vinaina,Mamorona eritreritra tsy misy ...
27/10/2025

Tsy haiko e...

Mangoly ny fanahy mitety vazan-tany,
Mandalo rian-drano tsy hita ho vinaina,
Mamorona eritreritra tsy misy fiafarany,
Manamalok'endrika sy mampiferon'aina.

Dinidihany eo ny ao ambadiky ny hitany,
Tsy misy hoe nahoana fa tere-ko hay...
Misy mpihaza trondro mitazona ny fintany,
Eo amoron'ny kamory voadidin-tany hay.

ssssh....
fa ahoana e!!!!

30/09/2025

Poizina amiko ny orana:
ahatsiarovako ilay efa tsy ho ahy!!!😪

INONA amin'ny INONA no tsy omenareo ny zanaka,No hantsoiny an-dranomaso ny zavatra ilainy?
29/09/2025

INONA amin'ny INONA no tsy omenareo ny zanaka,
No hantsoiny an-dranomaso ny zavatra ilainy?

Address

Anjozorobe

Telephone

+261340894214

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Antsaly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Ny Antsaly:

Share