Aina Tahiana

Aina Tahiana 🖋️ Tononkalo 📖
🎙️ Sombi-tantara 🎭
Misokatra amin'ny fiarahamiasa rehetra💥💯

Ankehitriny,mahatsapa ny rehetra hoe miaina vanim-potoana mafy ary tena sarotra,tsy afaka manao mandrimandry ao an-trano...
08/07/2026

Ankehitriny,mahatsapa ny rehetra hoe miaina vanim-potoana mafy ary tena sarotra,tsy afaka manao mandrimandry ao an-trano intsony fa tsy maintsy manaramaso ireo ankizy kely sy kilonga mandinika vao mivoaka ny trano.Maro ny fanontaniana mipetraka,iza loatra no mahavita an'izao tranga mahatsiravina eto amin'ny firenena izao?

Tsapa,fa tsy ny ankizy na ny zaza ihany nefa no misy maka an-keriny fa na olon-dehibe ihany koa aza dia misy masahy mangalatra ary miaraka amin'ny famonoana mahatsiravina.

Vao miodina kely ianao dia misy feo re ny sofina milaza fahaverezan-jaza.vao manokatra aterina eto,zaza very sy fatin'olona no hita matetika sy miverimberina.Fa nahoana loatra?

Inona no antony mahatonga an'ilay fahaverezan-jaza sy vono olona matetika tato ato?
Ny fahatsapana dia hoe fanakorotanana iniana atao eto amin'ny firenena ilay izy na tombotsoan'olona anankiray manokana noho ny antony tsy fantatra(resaka sorona).Manahirana tokoa ny miaina toe-draraha tahaka izao,satria lasa matahotra na ny ivoaka arany...Ny hany sisa azo atao dia ny mailo,na eny anivon'ny fiarahamonina na eny andalambe de ataovy folo fona ny maso.
Raha azo atao ihany koa fadio ny Maniraka ankizy mandeha mivoaka,araho maso akaiky foana ny ankizy satria mahatsapa ny tena fa tena mafy izany very zanaka izany na dia mbola tsy niaina izany aza.
Fadio tanteraka ihany koa ny matoky olona eny andalana,aleo misoroka hatrany fa ny aina tsy hanana-maro.Aza miasa saina na lazain'olona miavona arany fa harovy alony ny tenanao dia ny tenanao irery ihany koa hitokisana...

Aza adino ny mivavaka ho anao sy ny fianakavianao ary ity tanindrazantsika ity satria mandalo ady sarotra i Madagasikara amin'izao fotoana izao.Samia mahereza hatrany fa na raoviana na raoviana dia tsy maintsy handray ny valin'asany foana ny mpanao ratsy.

Mitandrema ry Malagasy havako🥺😭🙏

TANTARATSIKAMamiko loatra ianao malala a!Tsy neniko mihintsy nisafidy anao,Nanarina ahy tanaty faharesena,Nanasitrana ny...
28/06/2026

TANTARATSIKA
Mamiko loatra ianao malala a!
Tsy neniko mihintsy nisafidy anao,
Nanarina ahy tanaty faharesena,
Nanasitrana ny ratra sy ny fery
Mantsy ianao tsy anjely...
Nefa tena lafatra.

Maika be ny tanako hamaly ny hafatrao,
Tsy andriko mihintsy ilay fotoana iresahana.
Tsy aiko hoe nahoana fa ny foko tena babonao,
Misaotra Misy...
Misaotra anao nitondra hasambarana.

Ny masonao mamiratra,toy ny kintana,
Raha ianao maniraka,izaho tsy mety vizana.
Misaotra anao namoha tsy nandahy vahiny,
Fa kosa aza simbainao iny fahatokisako iny.

Etsy iverenako ny tantaratsika...
Ianao tanaty faharesena efa tena kivy,
Nandalo ity malalanao dia mba nivily.
Nivimbina fitiavana hanasitrana ny ratra,
Arabaina ianao mpanjakako...
Tongasoa anaty lapa.

Nanaiky ianao nanokatra ny varavarana,
Nanaiky satria nidirim-pahasoavana.
Ka vonona aho ny hiaro sy hitia anao,
Mantsy ny foko tena efa babonao.

Tsy mora ny lalana ho diavintsika,
Mila mifanohana na aiza na aiza ho diavina.
Misaotra tamin'ny hafanana
Nandreseko ny hatsiaka,
Ka ny fahatokisana,io no fototra iorenan'ny fitiavana.

Rehefa nifanaiky dia niteny tsy ifanary,
Ho mandrakizay ny vina ho tratrarina.
Ny fitiavantsika tena mamy toy ny fary,
Ary tsara fototra tsy Mila fanamboarana.

Toky no omeko...
Vonona hatrany aho amin'ny ho avy,
Aza manahy fa ianao tena faka vady.
Tsy hiteny betsaka aho akoatran'ny eny,
Niara-nifanaiky isika,niaraka niteny.

Hoe:ho mandrakizay ity tantaratsika ity...

Raha sendra malaelo ianao malala!
Aza manahy fa eto aho hanala izay mavesatra.
Hanampy ary hanohana amin'ny zavatra rehetra,
Satria tiko ianao...tena tiko amin'ny foko manontolo.
Ka raha maizina ny tontolo dia eto aho hanazava anao hatrany.
Horoka mamy be ho anao ry tiako...
Aina Tahiana(18-06-2026)

26/06/2026

🥺❤️

Fizarana 5:trano tokana Mpanoratra : Aina TahianaTsy nisy sahy nanatona avy hatrany ilay fehi-tenda nipetraka teo an-tok...
22/06/2026

Fizarana 5:trano tokana

Mpanoratra : Aina Tahiana

Tsy nisy sahy nanatona avy hatrany ilay fehi-tenda nipetraka teo an-tokotany.Samy nifampijery ny rehetra sady nanontany tena hoe iza no afaka namerina azy teo nefa tsy nisy olona manodidina.

Nandalo tao an-tsain'ny sasany fa mety nisy olona nanararaotra nampitahotra azy ireo saingy nisy zavatra iray tsy nifanaraka tamin'izany.Hatramin'ny niverenany avy nitady ilay namany very dia niaraka avokoa izy rehetra ary tsy nisy niala teo anilan'ny vondrona nisy azy avy.

Nentin'ny mpitarika tao anaty trano ilay fehi-tenda ary notahirizina tsara. Nampitandrina ny rehetra izy mba tsy hisy hiala irery amin'ny Toby intsony satria tsy mbola fantatra ny antony nahavery ilay skoto.
Nony maraina ny andro dia nanohy ny fikarohana indray ny rehetra.Nosavaina ny manodidina ny ala ary ny lalankely nefa tsy nisy vokany.

Teo am-piverenan'izy ireo anefa dia nisy zavatra nahasarika ny mason'ny sasany.Teo amin'ny rindrin'ny Trano Tokana dia nisy soratra vaovao,izay tsy hitan'izy ireo mihitsy talohan'izay.
Soratra fohy izy io,nosoratana tamin'ny fotaka mainty ary mazava tsara ny vakiny.
"Mitady olona iray ny trano..."
Nangina ny rehetra raha nahita izany.Tsy nisy nahalala hoe iza no nanoratra azy ary vao mainka nampitombo ny tahotra tao am-pon'izy ireo izany.

Niezaka nofafana ilay soratra nefa arakaraka ny namafana azy no vao mainka nazava sy nibaribary teo amin'ny rindrina ny litera.
Nony hariva dia nivory tao amin'ny toby ny rehetra.Raha teo am-panisana ny isan'ny skoto izy ireo,nisy zavatra nahagaga nitranga.
Tsy nisy olona very intsony.
Saingy...
Nisy olona iray nihoatra ny isan'ny tokony ho teo.
Samy nifampijery ireo skoto,satria fantatr'izy rehetra ny isan'izy ireo.
Kanefa teo amin'ny faran'ny laharana dia nisy aloka olona iray nijoro mangina...

Mbola hitohy...

🥰🥰🥰

21/06/2026

Sary tany aloha....🥺💔



Aboneo ny page❤️

Fizarana 4:trano tokanaMpanoratra : Aina TahianaNikorontana tampoka ny tao amin'ny toby raha vao fantatra fa nisy skoto ...
19/06/2026

Fizarana 4:trano tokana

Mpanoratra : Aina Tahiana

Nikorontana tampoka ny tao amin'ny toby raha vao fantatra fa nisy skoto iray tsy hita.Natsahatra avokoa ny asa rehetra ary nanomboka nitady azy teny amin'ny manodidina ireo mpitarika sy ny namany.Nanaraka ilay dian-tongotra nankany amin'ny lalankely tery izy ireo.Lalana efa rakotra ahitra sy ravinkazo maina toa efa ela tsy nisy nandalo.Arakaraka ny nandehanany no vao mainka nahatsapa izy ireo fa niditra lalina tao anatin'ny ala.

Nandritra ny fikarohana dia nisy nahita fehi-tenda skoto iray nipetraka teo ambanin'ny hazo lehibe.Fantatry ny rehetra avy hatrany fa an'ilay namany tsy hita io fehi-tenda io.Tsy nisy nahalala anefa hoe ahoana no nahatongavany teo.

Nitohy ny fikarohana mandra-pilentiky ny masoandro saingy tsy nahitana soritra hafa intsony.Tsy maintsy niverina tany amin'ny toby izy ireo mba handamina ny fikarohana hatao ny ampitso.

Nony tonga teo amin'ny Trano Tokana anefa izy ireo dia vao mainka gaga.Teo amin'ny varavarana fidirana dia nisy dian-tany vaovao maro be.Toa nisy olona nivezivezy vao haingana Teo.nandritra izany fotoana izany dia tsy nisy olona nijanona tao amin'ilay trano.

Nijery mangina ilay trano ireo skoto.Toa misy zava-miafina lehibe miafina tao anatiny ary tsapan'izy rehetra fa mbola vao fiandohan'ny zava-mitranga ihany izao.

Tamin'iny alina iny,raha samy niezaka natory ny rehetra dia nisy feo malefaka re avy tao ivelany.Toy ny olona mandeha miadana nohenoin'ny sofina ary nijanona teo anoloan'ny varavarana lehibe.

Rehefa nosokafana haingana ilay varavarana dia tsy nisy olona hita.teo amin'ny tokotany teo ambanin'ny hazavan'ny volana dia nisy zavatra iray nahatonga ny fon'ny rehetra hidobodoboka...

Ny fehi-tendan'ilay namany tsy hita izay nalain'izy ireo tany anaty ala ny tolakandro dia nipetraka teo indray,madio tsara,toy ny hoe nisy olona namerina azy teo.

Mbola hitohy...

Aza adino miabonné ny page🥰🥰

Fizarana 3:trano tokana Mpanoratra : Aina TahianaNandritra ny alina manontolo dia tsy nisy sahy nanatona ilay varavarana...
15/06/2026

Fizarana 3:trano tokana

Mpanoratra : Aina Tahiana

Nandritra ny alina manontolo dia tsy nisy sahy nanatona ilay varavarana somary nisokatra.Samy nieritreritra ny tao an-tsainy ny rehetra ary nony nazava ny andro dia niezaka nanadino ny zava-nitranga izy ireo.

Niverina tamin'ny fandaharam-potoanan'ny lasy ny skoto.Nanao fanatanjahan-tena maraina,nanadio ny manodidina ary nizara asa isan-bondrona.Na dia izany aza dia mbola niverimberina tao an-tsain'ny sasany ilay varavarana nisokatra tampoka tamin'ny misasakalina.

Rehefa nanadio ny tokotanin'ilay trano ny sasany dia nisy nahita zavatra hafahafa teo amin'ny tany.Tady efa antitra sy marika hafahafa no hita teny akaikin'ny rindrina,toy ny hoe nisy olona namatotra zavatra teo taloha.
Tsy lavitra teo koa dia nisy vato lehibe efa rakotra ahitra.Rehefa nesorina ny ahitra nanarona azy dia nisy soratra efa saika voafafa hita teo.Sarotra novakiana ilay izy saingy mbola nisy teny iray nazava tsara hoe:
"Aza misaraka..."

Niteraka fanontaniana maro tao an-tsain'ny rehetra izany.Tsy fantatra na iza no nanoratra azy, na oviana no natao ary inona no tena tian'izany hambara.

Nandeha ny andro ary niezaka tsy hiraharaha izany ireo skoto.Kanjo,nony hariva dia nisy zavatra iray nampitahotra azy ireo.
Nandritra ny fanisana ny mpikambana dia tsikaritra fa nisy iray tsy teo amin'ny laharana.
Noheverina mbola nandeha naka rano na nanao raharaha hafa izy.Nefa rehefa notadiavina teny rehetra teny dia tsy hita popoka.

Ny tena nahagaga anefa dia ny nahitana dian-tongotra iray nankany amin'ilay lalankely tery tao ambadiky ny Trano Tokana...

Mbola Hitohy...

Aza adino mipartage🥰🥰

Fizarana 2:trano tokana Mpanoratra : Aina TahianaNiditra tsikelikely ny alina...Rehefa voalamina ny lasy sy ny fitaovana...
13/06/2026

Fizarana 2:trano tokana

Mpanoratra : Aina Tahiana

Niditra tsikelikely ny alina...Rehefa voalamina ny lasy sy ny fitaovana rehetra dia samy nanao ny adidiny ireo skoto.Nisy nikarakara ny sakafo, nisy nanangona kitay ary nisy kosa nanadio ny manodidina.

Tsy ela dia nahatsikaritra zavatra hafahafa ny sasany.Na dia ala midadasika aza ny
manodidina ilay toerana dia toa tsy nisy feon-javamananaina firy re.Tsy nisy akory ny feon'ny sahona na ny bibikely izay fahita matetika rehefa alina.

Teo ampitan'ny trano dia nisy lalankely tery iray voasaron'ny ahitra sy kirihitra.Hita fa efa ela no tsy nisy olona nandalo Teo nefa toa nisy dian-tongotra vao haingana niseho teny amin'ny tany malefaka.

Nandritra ny hariva dia nanangona ny rehetra ny mpitarika ary nanazava ny fandaharam-potoana mandritra ny lasy. Nampahatsiahiviny indray ny maha-zava-dehibe ny firaisankina sy ny fanarahana fitsipi-pifehezana,indrindra amin'ny toerana tsy mahazatra.

Rehefa vita ny sakafo hariva dia samy niomana hatory ny rehetra. Saingy nisy tamin'ireo skoto no tsy nahita tory.Tsy fantany ny antony fa toy ny mahatsapa fisiana hafahafa teny amin'ny manodidina izy ireo.

Tamin'ny misasakalina indrindra,nisy feo nanakoako avy tao ambadik'ilay Trano Tokana. Feo tsy mafy loatra nefa mazava tsara,toy ny olona mandeha miadana eny amin'ny ravinkazo maina.

Nifoha tampoka ny sasany.Nijery ny manodidina izy ireo saingy tsy nisy olona hita. Ny hany tsikaritra dia ny varavaran'ilay trano, izay toa nikatona tsara talohan'ny alina nefa izao kosa somary misokatra kely.
Nangina tanteraka ny rehetra.Tsy nisy sahy nanatona ilay varavarana satria samy natahotra ary nanontany tena hoe iza no nanokatra azy tamin'iny ora iny.

Hitohy...

Aza adino ny mipartage❤️🥰

Fizarana 1:Trano tokanaMpanoratra : Aina TahianaVao maraina be dia efa nifamotoana teo an-tokotanin'ny fiangonana ireo s...
12/06/2026

Fizarana 1:Trano tokana

Mpanoratra : Aina Tahiana

Vao maraina be dia efa nifamotoana teo an-tokotanin'ny fiangonana ireo skoto hanao lasy.Samy nitondra ny fitaovany sy ny sakafo ilainy mandritra ny andro maromaro izy ireo.Na dia faly aza ny rehetra,nisy toerana iray no nibahana tao an-tsain'izy ireo,toerana izay efa re fa manana tantara hafahafa,tsy iza izany fa ilay antsoina hoe:Trano Tokana hita any amin'ny faritra antsinana any.

Trano lehibe iray efa ela nijoro,voahodidin'ny hazo lava sy ala mikitroka.Na dia efa maro aza no nanao lasy tao dia mbola maro ihany koa ny tantara niparitaka momba azy.

Nony tonga teny an-toerana ireo skoto,samy variana nijery ilay trano.Nisy zavatra hafahafa tsy hay hazavaina nanenika ny manodidina.Mangina loatra ny toerana ka ny siokan'ny vorona sy ny fikopakopahan'ny ravina ihany no re.

Nandritra ny fanomanana ny lasy dia nampahatsiahivina ny rehetra ny fitsipi-pifehezana tokony harahina.Anisan'izany ny tsy fahazoana miala irery sy ny tsy fandehanana eny amin'ny faritra sasany rehefa alina.

Nandeha ny fotoana ary nanomboka nilentika ny masoandro.Vao maika nangina ny manodidina ary nisy rivotra mangatsiaka nitsoka tampoka.
Teo no nanomboka nahatsapa ny rehetra fa mety tsy ho lasy tsotra no hiandry azy ireo ao amin'ilay Trano Tokana.Ilay Trano Tokana izay noheverina fa toerana lafatra sy kanto...

Mbola Hitohy...

Inviteo ny namana mba hamaky🥺🥺❤️🥰

Address

Andoharanofotsy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aina Tahiana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category