24/12/2025
NY ALAHELON'NY OLOMBELONA
Injay manako moramora
Toa ra mipololoatra
Feo kely feno akora
Sady latsa mafy loatra
Mitampody indray ny lasa
Ka mamoha ny efa maty
Zava-bery tsy voakasa
Sady vata hoboka aty
Ao ny sasany tomany
Ao koa ny ketra-po
Hisentoako eto izany
Holazaiko ny manjo
Fo kely iray maratra
Notsaingohim-boron-tiana
Hafaliana mahazatra
Izao re itomaniana
Voron-kely nantenaina
Hiaraka ory, hiara-paly
Kanjo dia naningotra aina
Kanjo kosa nampijaly
Safosafo tonga hoho
Tonga ratra sady fery
Hasambarana niamboho
Mba tadiaviko ka miery
Vata vola tsisy vody
Tsangambato very laza
Sambo vaky tsy ho tody
Ray sy reny maty zaza
Voninkazo nokoloina
Nefa kosa ka nalazo
Rehareha namboloina
Vao tazana dia tsy azo
Ho lo ny ra sy ny nofo
Zay nafindra tamin'iny
Ny hafaliany mantsy hiofo
Ho tadidy ny fahiny
Voron-kely rava akany
Zanak'ondry dia manjeny
Singan'aina ambony tany
Ikala maty ray sy reny
Bodo zatra tambitamby
Sy tamana angotingoty
Vao maraina dia somamby
Irony andron'ny kamboty
Andry roa re ka lavo
Hantahanta aiza intsony
Ny fo mangorak'ilay Avo
No sisa hampitony...
Aiza kosa re ry tany
Izay mba mamy entinao?
Sa toloko sy tomany
No hitana lava izao?
O! afero sy mangidy
Izany hiany no fisotro
Simbanao ny saro-bidy
Nitokiana sy nitrotro
Nantenain-ko paradisa
Ny fotoananao tontolo
Kanjo tany hay madisa
Feno angatra sy lolo
Jean Joseph RABEARIVELO
(Amboara Voafantina, tak. 86-87)
Zarao raha sitrakao !