Vakoka Mahaleo

Vakoka Mahaleo 馃嚥馃嚞 Ho an鈥檔y mpankafy Mahaleo manerana izao tontolo izao.
馃嚝馃嚪 Pour tous les fans de Mahaleo, partout dans le monde.
馃嚞馃嚙 For all Mahaleo fans around the world.

25/01/2026

Milaz脿 hiran'ny tarika 10 tena tianao!
10 ihany a馃榿

 Neny (3), Neny nitondra biby ankiboNeny nibaby varatraNeny fola-damosinaNitaiza biby antrano ianaoKa raha tsy afolakaoT...
24/01/2026



Neny (3), Neny nitondra biby ankibo
Neny nibaby varatra
Neny fola-damosina

Nitaiza biby antrano ianao
Ka raha tsy afolakao
Tonga izy dia hitroatra

Raha gaigy ny zanakao
Hisavorovoro ireo olona
Handeha hamono ilay biby

Neny (3) ...

Vaky ny tafotranonao
Hanidina ny zanakao
Hanaraka ny habakabaka

Zaza teraka amoron-drano
Hanonja ny fiainany
Hohadinony ny reniny

Neny (3) ...

Tantananao ny diany
Itsahiny ny lohanao
Nefa ianao tsy hiteny

Hihazakazaka handeha
Ny volana sy ny taona
Ho aiza izao 鈥檒ay zanakao

Neny (3) ...

Neny (3), Neny nitondra biby ankiboNeny nibaby varatraNeny fola-damosinaNitaiza biby antrano ianaoKa raha tsy afolakaoTonga izy dia hitroatraRaha gaigy ny za...

 Moa ve diso ny tary,raha somary mandraiky marary?Sendra tafara-dia aho,ka raiki-pitia tamin'indry ehTsy hitahita akory,...
24/01/2026


Moa ve diso ny tary,
raha somary mandraiky marary?
Sendra tafara-dia aho,
ka raiki-pitia tamin'indry eh

Tsy hitahita akory,
Tafaraka natory
Nanjary sahisahy,
Tsy niahiahy niteny hoe:

Andao mody atao hoe
Tia ahy ianao, tia ahy ianao
Andao lazaina hoe
Mpifankatia izaho sy indry

Na vetivety monja,
Vetivety fa mafonja
Fitia tsy noterena,
Fitiavana tena nomena

Eny, diso aho angamba,
tsy nihambahamba, nanary lamba
Diso, tia tafahoatra,
ka nisendaotra, sy nanararaotra

Vao sambany nitia aho,
Ka tena very dia aho,
Toy ny adaladala,
Nifikitra, tsy nety niala

Tantara navalon'ny taona,
Ka tsarotsaroana rehefa mihaona
Tantara ny hatanorana,
Tsy maintsy mitana, tsy azo faf脿na

Nitsiry avy ao am-po,
Nandrombona tokoa,
Nanenika ny tany,
Tsy voafetra anefa izany,

Andao mody atao hoe
Tia ahy ianao, tia ahy ianao
Andao lazaina hoe
Mpifankatia izaho sy indry

Moa ve diso ny tary,raha somary mandraiky marary?Sendra tafara-dia aho,ka raiki-pitia tamin'indry ehTsy hitahita akory,Tafaraka natoryNanjary sahisahy,Tsy ni...

 -Miavonavona tokoaizato ianao ramatoamilanjalanja oronaka mamono voronatsy hitako izay ataomisafosafo loha ahomatahotry...
24/01/2026



-Miavonavona tokoa
izato ianao ramatoa
milanjalanja orona
ka mamono vorona
tsy hitako izay atao
misafosafo loha aho
matahotry ny ho voarora
ka aleoko mi脿la moramora

FIV: (in -4)
Eny lavitra eny aho e
no mitazana anao e
variana dia variana
hanjak脿n鈥檔y fahoriana

-Miavonavona tokoa
izato ianao ramatoa
milanjalanja orona
ka mamono vorona......

-Miavonavona tokoaizato ianao ramatoamilanjalanja oronaka mamono voronatsy hitako izay ataomisafosafo loha ahomatahotry ny ho voaroraka aleoko mi脿la moramora...

"HIARA - ANTITRA"Miketrona avokoa, ny hoditrao manontoloEla niara-droa, tafaray fotsy voloNy masonao mainty manga, mihaf...
17/01/2026

"HIARA - ANTITRA"

Miketrona avokoa, ny hoditrao manontolo
Ela niara-droa, tafaray fotsy volo

Ny masonao mainty manga, mihafotsy ho azy teo
Ny nifinao maro banga, mahatonga anao hiova feo
Izaho kosa savolaina, foka sy trotraka
Efa miha-ritra aina, efa ho potraka

Efa manao poha, efa miverin-tsaina
Mangozohozo loha, efa manaintaina

Isika no hoe ela nihetezana
Fa ny fontsika tanora aok'izany
Ianao no taolan-tehezana
Andefimandry hatrany

Mikisaka raha mamindra
Mihilangilana
Mikavivia mirindra
Kilasy vilana

Nefa mbola mitosy, mbola miangoty koa
Rangahibe sy rafotsy, mbola mifankatoa

Ny ankizy nokoloina, tsy misy tsinjo intsony
Tsy hita ho antsoina, efa voafehy ireo fony

Dia eto isika roa, tojo ny farany
Asa izay handeha aloha, miandry ny anjarany

Fa raha ianao no lasana, matesa faingana aho
Tsy hihidy ela ny fasana, f'izaho tsy mahafoy anao

Ny faniriako hatri'zay, hiara-antitra aminao
Fa ny Avo no nampiray, izay indray vao hifandao


Tsy tantiko ny ho irery, raha banga ny toeranao
Tsy misy mpakahery, koa avia re alao

Ho tapany aho fa tsy ho iray
Aza hilaozanao toa izao
Hiara-lavenona fa niara-kitay
Hiara-maty aminao

"HIARA - ANTITRA"Miketrona avokoa, ny hoditrao manontoloEla niara-droa, tafaray fotsy voloNy masonao mainty manga, mihafotsy ho azy teoNy nifinao maro banga,...

Ao Antanambao 么Antanambao re no etoRaha sendra tsy fantatrareoSanatria anay no hanambaka namanaF'izay tonga eto zaza sah...
17/01/2026

Ao Antanambao 么
Antanambao re no eto
Raha sendra tsy fantatrareo
Sanatria anay no hanambaka namana
F'izay tonga eto zaza sahala
Aho monina
Aho monina Antampon'Antanambao
Misotro ny ranon'Andranobe
Sanatria anay no hanambaka namana
F'izay tonga eto zaza sahala

Eny re
Eny reroy 么 么 么
Aoka re
Aoka ry lahy
Hizaha toerana hilalaovana
Eny re
Eny reroy 么 么 么
Aoka re
Aoka ry lahy
Hizaha toerana hilalaovana

Ao misy an-Rampiodifolaka
Mpitsabo marary amin'ny fomba gasy
Ao koa ry Ingahy Radezy
Izay nanome vola ny fiangonana
Ao koa ry Ikalatonaka
Izay nanary zanaka tany am-bala
Ao koa ny olom-boafidy
Izay misolo tena an'ireo vahoaka
Ao misy an-Rampiodifolaka
Mpitsabo marary amin'ny fomba gasy
Ao koa ry Ingahy Radezy
Izay nanome vola ny fiangonana
Ao koa ry Ikalatonaka
Izay nanary zanaka tany am-bala
Ao koa ny olom-boafidy
Izay misolo tena an'ireo vahoaka.
Aza taitra raha misy manaitra
Fa ny filaminana no tsinjovina.
Aza taitra raha misy manaitra
Fa ny filaminana no tsinjovina.
Eny e
Hizaha toerana hilalaovana

Aho monina
Aho monina Antampon'Antanambao
Misotro ny ranon'Andranobe
Sanatria anay no hanambaka namana
F'izay tonga eto zaza sahala
Eny re
Eny reroy 么 么 么
Aoka re
Aoka ry lahy
Hizaha toerana hilalaovana

Ao Antanambao 么Antanambao re no etoRaha sendra tsy fantatrareoSanatria anay no hanambaka namanaF'izay tonga eto zaza sahalaAho moninaAho monina Antampon'Anta...

 Iaraha-mahita, Iaraha-mijeryTsy mety tafita fa mbola voateryNy sainy sy ny fieritreretanyKa manao azafady ahoraha mital...
17/01/2026



Iaraha-mahita, Iaraha-mijery
Tsy mety tafita fa mbola voatery
Ny sainy sy ny fieritreretany

Ka manao azafady aho
raha mitalaho
Fa izaho tsy hiady
Satria tsy mitovy ny entana

Fa samy nitady hasambarana!
ho vokatr鈥檌reo hasasarana
Ka aiza indray no hilaharana
Fa mazana be ity fiakarana
ho anay tsy manana anarana
Azafady mba aza hiangarana
Rahoviana indray vao hifarana e!
Ity tohatra lava fiakarana

Ela efa voky, tsy mety hatoky
ireo mbola noana tsy hijanona foana
amin'izao, na hivalaketraka
tsy maintsy hitady izy fa mafy ady
tsy maintsy hikaroka, ary hidaroka anao
izay no hetraketraka

Fomban鈥檔y olona ny mitsikera
Fomba ny vorona ny mianjera
Rehefa tsy mahay manidina
Ka amboary tsara ny laha-tantara
Aza variana mizara dolara
Ianao, sao dia mitsingidina

Tsy resy tsy akory izy ireny
Fa mangina tsy miteniteny
Ka hiaritra mandrakizay,
hiaritra ny mahamay,
Fa dondrona tsy mba mahay,
Kamboty reny sy ray
Ka anaovanao antsonjay
Sy avela ho main鈥檔y sakay

Fa hafa ny andro omaly
Samy tsy mbola nijaly
Mbola ampy dia ampy ny kaly
Samy mba nifalifaly,
Na tanora ny maintimolaly
Nifanaraka tsy nifamaly
Moa ve tsy izany le valy?
miantsoantso tsy misy mpamaly!

Raoul

Iaraha-mahita, Iaraha-mijeryTsy mety tafita fa mbola voateryNy sainy sy ny fieritreretanyKa manao azafady ahoraha mitalahoFa izaho tsy hiadySatria tsy mitovy...

 Dadabenay dia mbola velona any an!Mbola matanjaka anie izy izay a!Mbola mamokatra ny tany an!Bebenay dia mbola velona a...
17/01/2026



Dadabenay dia mbola velona any an!
Mbola matanjaka anie izy izay a!
Mbola mamokatra ny tany an!
Bebenay dia mbola velona any an!
Mbola matanjaka anie izy izay an!
Mbola mamboly ny tany an!
Zovy e! (2)
Mbola matanjaka anie izy ireo
Mbola mamokatra ny tany

Dadabenay mahay anamboatra tanimbary an!
Tanimbary totohatra anie ny azy e!
Totohatra avo be manakatra ny lanitra
I Bebenay manamboatra tanin-ketsa (2)
Tanin-ketsa ambony toerana io ny azy e!
Eny an-tehezan-tendrombohitra
Zovy e!(2)
Mbola matanjaka anie izy ireo
Manamasaka ny tany ao Bemongo ao

Dadabenay mahery miasa tany a!
Tsy mirehareha anefa izy e!
Mamadika ny bainga, bainga ngodabe
Bebenay mahay mitoto vary e!
Tsy mirehareha anefa izy e!
Mitoto vary maina vokatry ny tany
Zovy e! (2)
Mbola matanjaka anie izy ireo
Manamasaka ny tany ao Bemongo ao

Dadabenay manana angady lava lela a (2)
Angady mangasoavina anie ny azy e!
Angady lava lela fias脿ny tanimbary a!
Bebenay mahay mijoro tsara an!
Miloloha zezika anie izy an!
Zezika tain鈥檕mby nalainy teny am-bala
Zovy e! (2)
Tsy rehareha anie izy ireo an!
Manamasaka ny tany ao Bemongo ao

Dadabenay manao salaka mena
Fitondrany miasa anie izy izay e!
Fitondrany miasa, tsy mba fentiny miambo an!
Bebenay manan-tongobolo mena
Tsy adinon鈥檕lona maro anie izy izay e!
Tsara ny parakin鈥檌lay tongobolo a!
Zovy e! (2)
Ts鈥檌sy izay tsy mahalala anie izany
Tantaran鈥檔y salaka sy ilay tongobolo mena

Dadabenay manana basy lava e!(2)
Basin鈥檃nglisy anie ny azy e!
Basin鈥檃nglisy foentiny miady tany an鈥檃la
Bebenay manana "Kaska blanc"
Loakan鈥檔y bala anie ny izy izay e!
Loakan鈥檔y bala eo an-tampony e!
Zovy e! (2)
Ts鈥檌sy izay tsy mahalala anie izany
Tantaran鈥檌lay basy sy ny kaska blanc

Zovy hoy aho ny tsy mahalala
An鈥檌 Dadabe sy Bebe anay
Dadabe miasa tany
Bebe mamboly ny tany
Razambe velomin鈥檔y tany a!

DAMA

Dadabenay dia mbola velona any an!Mbola matanjaka anie izy izay a!Mbola mamokatra ny tany an!Bebenay dia mbola velona any an!Mbola matanjaka anie izy izay an...

Avia Neny tiako eto am-pofoakoEto an-tsandriko ankavia mba akaiky ny fokoEtsy (2) ho esoriko ireo volofotsyHitantarako a...
11/01/2026

Avia Neny tiako eto am-pofoako
Eto an-tsandriko ankavia mba akaiky ny foko
Etsy (2) ho esoriko ireo volofotsy
Hitantarako angano ianao sady arahako rotsirotsy

O o o....

Ny adidy tsy efanao mbola tianao ho tohizana
Tsy mahatsiaro fahanterana tsy mahalala vizana
Mikisakisaka hita ho torovana aok鈥檌zay
F鈥檌anao 鈥檒ay niaro indray no mba mila fiharovana

O o o....

Avia neny tiako f鈥檃za miahiahy
Ny ataoko anie sombin鈥檔y vitanao hatrizay
Etsy ho tantanako fa efa lanaka
Ny aina no (2) matez脿 f鈥檌fampitaiza isika mianaka

O o o.....

DADAH

Avia Neny tiako eto am-pofoakoEto an-tsandriko ankavia mba akaiky ny fokoEtsy (2) ho esoriko ireo volofotsyHitantarako angano ianao sady arahako rotsirotsyO ...

  (A/C: BEKOTO)
11/01/2026

(A/C: BEKOTO)

Enjoy the videos and music you love, upload original content, and share it all with friends, family, and the world on YouTube.

Mirary alahady mafinaritra ho antsika rehetra馃檹
11/01/2026

Mirary alahady mafinaritra ho antsika rehetra馃檹

Enjoy the videos and music you love, upload original content, and share it all with friends, family, and the world on YouTube.

  (A/C: RAOUL)Eeee Madagasikara, handeha ho aiza moa ianaoMba todiho ny tantara, mba ho sainintsaininaoEeee Madagasikara...
11/01/2026

(A/C: RAOUL)

Eeee Madagasikara, handeha ho aiza moa ianao
Mba todiho ny tantara, mba ho sainintsaininao
Eeee Madagasikara, seminera lava izao
Fanandramana tantara, tianao ny milalao

Tsy tafavoaka ny krizy, taona maro lava izao
Niandrandra lava ilay devizy, dia manao izay tiany atao

Eeee Madagasikara, nahazo akanjo vaovao
Moa ve fantatrao izany, ny lalana halehanao
Eeee Madagasikara, mbola matory va ianao
Mifohaza sao dia tara e, fa tsy hisy aminao

Aza avela hanjavozavo e, ny lalana hodiavinao
Tandremo lahy sao dia lavo e, isan'andro vaky zao

Eeee Madagasikara, le pays du moramora
Tandremo indray sao mitsirara e! Fa be ireo hanakora
Eeee Madagasikara, tsotra loatra angamba ianao
Eeee Madagasikara, ka maro ireo te hilalao
Eeee Madagasikara, tanindrazana tsy foinay
Eeee Madagasikara, enga anie mba tsy vonoina

Enjoy the videos and music you love, upload original content, and share it all with friends, family, and the world on YouTube.

Adresse

Montpellier

Heures d'ouverture

Lundi 09:00 - 17:00
Mardi 09:00 - 17:00
Mercredi 09:00 - 17:00
Jeudi 09:00 - 17:00
Vendredi 09:00 - 17:00
Samedi 09:00 - 17:00
Dimanche 09:00 - 17:00

Site Web

Notifications

Soyez le premier 脿 savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque Vakoka Mahaleo publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilis茅e 脿 d'autres fins, et vous pouvez vous d茅sabonner 脿 tout moment.

Partager