30/05/2026
«Tsy matsiro ny fandresena raha tsy nafy ny ady...»🤍
Ho anao izay mandalo ady sarotra amizao fotoana ,manontany tena fa maninona ary ny fiainako no otrizao ? Fa maninona ary aho no tsy mba zanaka mpanakarena sns ?
Eny tsapako, ilaina loatra ny vola, indrindra amin'izao fotoana iainan-tsika, tsy asian'olona hajany enao rehefa tsy misy azy, ary tsy misy miraharaha enao rehefa tsy misy izay eo ampelan-tanana.
Fa tadidio anefa fa ny fandresena raha omem-potsiny tsy matsiro, hafa ihany ianao ilay niady mafy, nisasatra, tsemboka ,na be na kely fa miaina amin'ny zavatra nosasaranao.
Mila mitraka foana sy mankafy izay misy ary miakatra tohatra tsikelikely, lavo, mandroso, lavo, madroso hatrany, fa mbola hiposaka ny anjara masoandronao .
📷:Ny Aiky Nii
©: Life goal