22/11/2019
RITUEL MANATSARA NY VOLA MIHANGONA HO AN’IREO MANANA DATIN’ANDRO NAHATERAHANA 8, 17, 26
**ra
Raha ny vintana ara-bolan’ny olona teraka amin’ny datin’andro 8, 17, 26 no jerena dia ny planeta Shani no mitondra ny vintany. Noho izany dia manana fahasahiranana amin’ny fanangonam-bola ny olona teraka amin’ireo indrindra alohan’ny faha-35 taonany. Ka na mampidi-bola be sy mandray karama betsaka aza dia tsy mahangona vola firy fa tsy maintsy misy antony mampivoaka ny volany foana. Aorian’ny faha-35 taonany kosa vao marin-toerana ny toe-bola eo am-pelantanany sy mitombo ny vola mipetraka any amin’ny banky. Any izany vao manomboka mivaly ny ezaka rehetra nataony teo aloha.
Maro ny olana sedrain’ny olona teraka amin’ny daty 8, 17, 26 vao mahazo ny zavatra iriany izy ary mitaky ezaka mafy daholo ny zavatra atao vao ahitana vokatra. Misy mantsy olona manana vintana tsy mila misahirana dia manan-karena fa tsy mba toy izany kosa ry zareo. Tsy maintsy misedra sakantsakana isan-karazany, fahatarana (Raha business tokony ho raikitra androany ohatra lasa mihemotra amin’ny fotoana farany ka miteraka fahatarana amin’ny fizotriny zavatra atao matetika), misedra fahasarotana (Na zavatra heverina fa tsotra aza dia mivadika sarotra tampoka rehefa tena tanterahana). Na eo aza anefa izany, ny olona teraka amin’ireo daty ireo tsy mba mora milavo lefona, ary mahatratra ny tanjona sy mahatanteraka ny projet ataony hatramin’ny farany. Misy ny olona tsara am-boalohany fa tsy tody hatramin’ny farany, fa ny olona teraka 8, 17, 26 dia toa sahirana am-boalohany sy misedra zava-tsarotra nefa tsy maintsy tody amin’ny tanjony.
Ho an’ny olona efa manambady: Mety miha malefaka na voafafa amin’ny ampahany ireo voalaza rehetra eo ambony ireo raha toa ka mifanarina ny vintan’ny mpivady, izany hoe mifanambina ara-bola ny mpivady ka na tsy mahangona firy aza ny andaniny dia arenin’ny ankilany ka lasa mahangona harena betsaka izy mivady.
Ity rituel ity izany dia natokana indrindra ho anareo mitondra an’ireo date volaza ireo mba hahangonana vola bebe kokoa noho ny teo aloha. Alohan’izany anefa dia misy zavatra tsara ho fantatra ireto. Manankery hatramin’ny volana Desambra 2020 ny rituel ka tsara raha ataonao alohan’izay fa raha dila io fotoana io dia mila manavao rituel vaovao mifanaraka amin’ny taona manaraka indray. Raha efa mihoatran’ny 35 taona ianao nefa mbola tsy mahangona, tsy mari-toerana ny vola miangona fa mitotongana dia mila manao analyse ny Kundli hijerana raha azo atao ny manatsara azy.
Zavatra ilaina: Quartz crystal 1 – Agarbatti 9 – Labozia mavo 1 – Sary izay manambara harena aminao (Afaka mamorona, azo soratana amin’ny taratasy. Afaka maka sary efa vonona amin’ny internet ihany koa fa ataovy misy dikany sy milaza harena ho anao fotsiny.)
Andro fanaovana azy: Andro Alakamisy ao anatin’ny volana miakatra.
#1 Sasao amin’ny ranomafana sy savony ny quartz crystal. Fafao ho maina tsara. Rehefa maina dia ampirehetina ny labozia, ka arehitra amin’iny afon-dabozia iny ny agarbatti. Embohana amin’ny setroky ny agarbatti avy eo ny quartz crystal.
#2 Rehefa vita izay dia raisina ny quartz crystal sady apetaka eo amin’ny handrina (3e oeil) no manao “affirmation” ianao (Izay vokatry ny fo no tenenina ary atao mifandray amin’ny fanatsarana ny fanangonam-bola). Tsara raha akimpy ny maso eo.
#3 Alaina amin’izay ilay sary ka apetraka eo amboniny ny crystal. Entina eny amin’ny toerana voaaro tsara satria ho avela eo mandritra ny alina mba ho tratry ny taratry ny volana ka maraina vao alaina. Oh: Atao eny ivelan’ny trano , na eo am-baravarakely, na eny an-davarangana fa mila atao tratran’ny taratry ny volana mivantana fotsiny.
#4 Rehefa maraina ny andro dia alaina, ka eo ianao no misaotra sy mankasitraka ny mpahary, na ny anjely mpiambina, na izay maîtres na hery hananao fanajana manokana.
#5 Apetraka avy aty amin’ny zoro an-kavian’ny varavarana fidiranao matetika ao an-trano ny crystal avy eo. Matetika eo amin’ny varavarana principal io izany.
Rehefa vitanao izay dia tapitra ny rituel ka miasa sy manankery hatramin’ny 31 desambra 2020 ny heriny.
Dia mirary soa anareo mapanaraka ny pejy hatrany!